|
|
|
|

Entry1  bibikely
Elementary words  2  biby, 3  kely
Part of speech  4  noun
Explanations in Malagasy  5  Teny ilazana ireo biby madinika ankapobeny izay mizara telo ny vatany: ny lohany, ny tratrany ary ny kibony. Misy karazany maro ny bibikely arakaraka ny toetran' ny elany na ny tsy fisiany mihitsy:misy lava mahitsy ny elany (ny valala); misy manana elatra roa an-daniny avy ka mifanarona (ny voangory); na mipetaka eo an-tenatenany ny elany roa an-daniny avy (ny renitantely); misy tsy manana afa-tsy elatra iray tsotra andaniny avy (ny lalitra); ary misy aza tsy manana elatra mihitsy (ny hao, ny parasy) [1.1]
Explanations in English  6  An insect of any kind. [1.2]
7  an insect [1.7]
Explanations in French  8  insecte [1.8]
Examples  9  Mihetsika mafy ny bibikely! [2.270]
10  Poatoizay dia ho faty ny bibikely. [2.442]
All compound words 
Vocabulary  12  Zoology: (in general)
Proverbs  13  Proverbs containing the word bibikely

Updated on 2025/09/15