| Entry | 1 Ary hitako |
| Elementary words | 2 ary, 3 hita |
| Part of speech | 4 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 5 Literature: poems |
| Author |
6 Andriarimalala René |
| Full text |
7 8 Ary hitako fa tsy misy zava-maharitra 9 Eto ambonin'ny tany; 10 Izay mila hoheverina ho mahafinaritra 11 Dia mihelina ihany. 12 Nisaina aho, nandinika, niandry sy niaritra, 13 Hamantatra hatrany, 14 Fa tsy misy mihitsy na dia iray aza faritra 15 Tsy tratran'izany. 16 Ary hitako ny filendan' ny olo-mangirika 17 Ny fahasambarana, 18 Mitady harena izay andriany ilika 19 Tsy misy hasasarana: 20 Ny sasany lasana lavitra ery no mijirika 21 Irony fianarana; 22 Kanefa nony azony, injay misy hiriky 23 Ny ankasomparana. 24 Ary hitako fa ireo falifaly, mpihoraka 25 Fa feno ny soa. 26 Nihevitra ho avo tsy tratry ny toraka 27 Tsy hety ho voa, 28 Dia niandry ny farany ihany hamboraka 29 Ny niafina koa: 30 Ilay aloka iray mahatra-mampangoraka; 31 Dia ny alok'akoho! 32 Ary hitako ny rehetra fa manana fetrany 33 Tsy azo ihodivirana; 34 Fa na inona kiriny sy hoe amboletrany, 35 Tiany hidirana, 36 Izay tiany indrindra tsy maintsy hapetrany 37 Tsy azo ifikirana, 38 Fa ity tany ity, dia izany no toetrany 39 - Tsy azo ifandirana. 40 Ary hitako koa fa ny ratsy dia ambinina 41 - Saiky matetika - 42 Ary angamba izy mihevitra fa tsy hoadinina, 43 Ka be fitetika, 44 Manjehy andro ho lava izay satry hofihinina, 45 Hany ka mbetika 46 Ny fieritreretany tsy hainy ampanginina 47 Iniany alentika. 48 Ary hitako am-po sy an-tsaina tsy miambatra, 49 Hitako loatra 50 Fa samy hizaka ny anjara tsy miangatra 51 - Tsy afa-manoatra - 52 Ary hitako fa rehefa izany no atambatra, 53 Tsy misy hoatra 54 Ny mihevitra Toerana Hafa hahasambatra, 55 Dia any Ankoatra. 56 Ary hitako fa rahefa tsy maintsy hihelina 57 - Tsy hisy fandavana - 58 Tsy maintsy ho vovoka isika olombelona 59 Dia tsara hozahavana 60 Izay mba mahamamy kokoa ka ho telina 61 Ny fiainana, rahavana, 62 Tsotra io: 63 rantsano izay manelingelina 64 Ny fifankatiavana. |
| Updated on 2025/11/17 |
|