Entry ankamantatra (fantatra)
Part of speech   noun
Malagasy definition   Filazan-javatra izay tiana hovinanin' ny hafa ka ny toetoetran' ilay zavatra hofantarina no lazaina amin' ny teny somary lavalava: Inona àry izany: Manam-bava hihinana, fa tsy manan-kibo hasiana? (Hety na antsy) [Rajemisa 1985]
   Ny ankamantatra dia avy amin'ny fototeny hoe fantatra. Misy zavatra tian-kofantarin'ny mpihaino ary ilana valin-teny eo no ho eo fa tsy miandry ela. Misy olona iray mpitarika mametra-panontaniana izay miandoha hatrany amin'ny hoe: "Inona àry izany?". Miantefa amin'ny mpivory rehetra mandray anjara amin'ity kilalao ity ny fanontaniana ary izay mahita na mahalala dia mananga-tanana ka manome ny valiny avy hatrany. ... [http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=302]
French translation   énigme, charade [Abinal 1888]
   devinette, énigme [Rajaonarimanana 1995]
Vocabulary  
Analogy   ampanonona ~ ankifidy
Web   Haisosatra.org: Ankamantatra (http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=302)

Updated on 2014/10/01