|
|
|
|

Entry1 alatrano
Elementary words  2ala, 3trano
Part of speech  4 adverb [Full list]
Explanations in Malagasy  5 Eny ivelan' ny trano, ka ny tokotany manodidina ny trano indrindra no antsoina amin' izany: Asaivo mivoaka any alatrano ireo ankizy ireo fa mitabataba tsy ifandrenesana [1.1]
Explanations in French  6 dehors, hors de la maison [1.3]
Examples  7 Namaky kitay teo alatrano Idada. [2.332#]
8 Nanontany ankizy teo alatrano aloha izy; [2.357#]
9 Teo alatrano no nisy ny robine fakana rano sy ny fanasana lamba. [2.356#]

Updated on 2025/09/12