Entry akotifahana (akoty, fahana)
Part of speech noun
Malagasy definition lamba, izay kofehy avy amin' ny akoty no atao fahany, ary lasoa ny tenany. Tato aoriana anefa, dia nisy fiovana ny hevitry ny teny, ka natao hoe akotifahana koa ny lamba natao tamin' ny lasoa (landy vazaha) ranofotsiny, ary voaravaka, misy sary fatratra: ny sasany aza misoratra, misy lokiny isan-karazany. Lamba tena sarobidy, fara-fihaingoana, ny akotifahana, lafo hatramin' ny ariary zato -- vola be dia be tamin' izany andro izany. [Ravelojaona 1937]
 Lamba landy izay vita tenona mihitsy ny sorany [Rajemisa 1985]
French definition coutil, tissus en soie du pays avec dessins [Abinal 1888]
Vocabulary 
Synonyms akoty

2016/03/31