|
|
|
|

Entry1  ady varotra
Elementary words  2  ady, 3  varotra
Part of speech  4  locution
Explanations in Malagasy  5  fifamaliana ataon' ny mpivarotra sy ny mpividy momba ny vidin' entana ka ny mpividy mangataka mba hahenan' ny mpivarotra io vidiny io, ny mpivarotra kosa tsy mety mampihena avy hatrany; fifamalian' ny mpividy sy ny mpivarotra momba ny vidin-javatra; teny ifampiraharahana: "Izaho, hoy Andrianampoinimerina, tsy manana ady varotra aminareo"; [1.1]
Explanations in English  6  Disputation as to price, bargaining, stipulating the price. [1.2]
Explanations in French  7  marchandage [1.3, 1.5]
8  débat du prix [1.3]
Examples  9  Fa izaho tsy manana ady varotra aminy, fa soa ifamaliana ny anay sy ny azy. [2.298#54]
10  ady varotra lava be, fotoana ifanomeana miverimberina ary amin' ny toerana samy hafa, vao azo ny tapa-damba anankiray. [2.472#116]
11  tsy mahay ady varotra akory hianao (tu ne sais pas marchander) [1.3]
Other spellings  12  adivarotra

Anagrams  13 adivarotra, 14 ady varotra, 15 odivaratra, 16 ody varatra

Updated on 2025/09/12