|
|
|
|

Entry (1/2)1  mitsikia
Root  2 tsiky
Part of speech  3  imperative of active verb mitsiky [Full list]
Explanations in Malagasy  [1.1]
Explanations in French  [1.3]

Entry (2/2)4  Mitsikia!
Elementary words  5 mitsikia
Part of speech  6  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  7  Literature: poems
Author  8 Andriamanantena Georges
Full text  9 
10  Mitsikia! Miràna endrika!
11  K'aza odiana re akory ny fanetoky ny fery
12  ao anatinao, ry foko! Pero aza ny fisento
13  tsy hipololotra intsony, ka ny masonao mijery
14  Hatanjaho tsy ho rendrika !

15  F'efa hatrany am-piandohana
16  no nazava taminao fa ny volana handalo
17  ary hanintsana ny felany aorian'ny famololony;
18  ny lohataona dia ho lasa… ny valiha hitsaha-kalo;
19  ary tahaka izany koa ny fitiavana natolony:
20  Tsiro manam-piafarana.

21  Ny fahendrena ve? Fantaro!
22  Minia mitsiky raha ory. Minia mifaly raha tomany.
23  Ny ranomaso atelomy na mangeja sy mandifotra
24  fa hanjary " perla " izy, toy ny fasika mavany
25  nokobonin-taona maro tao an-kibon'ito sifotra.
26  Ny toloko, atsaharo!

Anagrams  27 masikity, 28 masitiky, 29 misitaky, Mitsikia!, mitsikia

Updated on 2025/11/21