|
|
|
|

Entry1  Dona-tsetroka
Elementary words  2 donaka, 3 setroka
Part of speech  4  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  5  Literature: poems
Author  6 Andriarimalala René
Full text  7 
8  Mba mahafinaritra ahy ny mahita dona-tsetroka
9  Mihoatra tafon-trano, maraina vao mifoha,
10  Setroka botsiaka fa tsy mba mainty ngetroka ,
11  Malefaka fibohaka … toy ny vohavoha.

12  Toa azoko vinany ety ivelan-drindrina
13  Fa misy olona ao… mahandro tohan'aina.
14  Ny varavarankeliny mbola indreo mirindrina
15  Anefa toa azo sary ny fikenony maraina.

16  Ho tiako harahi-maso ny sampana adidiny
17  Ao an-tokantranony, ny lanjany amam-bidiny,
18  Saingy voafefy ny saiko tsy hahatakatra…

19  Ilay dona-tsetroka no nety mba harahiko
20  Hampombaiko vavaka avy ato amin'ny fanahiko
21  Hisidina izy anie! Hiakatra ka hiakatra...

Updated on 2025/11/17