Entry Andranobevava (any, rano, be, vava)
Part of speech name (toponym) [full list]
Explanations in Malagasy Renirano eo afovoan' ny hetrina malalaka, anelanelan' ny rambon-tanin' Amboditsiry sy ny an' Analamahitsy, vakin' ny arabe mianavaratra (Antananarivo-Ambohimanga). Ny lohan' io renirano io dia any akaikin' Andraisoro, mandeha mianavaratra ny anankiray, ary ao Ambodiakondro, mandeha miankandrefana ny anankiray; mihaona eo akaikin' i Nanisana izy roa ireo, ary hatreo ka mandra-pidiny amin' ilay lahindrano eo atsimon' Ivandry, no iantsoana azy ho Andranobevava. -- Tany aloha, raha mbola tsy voaisy fefiloha ity renirano ity, dia nanafotra ny hetrina teo an-daniny roa ny tondraka amin' ny fahavaratra, ka manjary hoatra ny lehibe ny vava-rano; izany no nahatonga ny anarany ho Andranobevava. Ny nampahalaza azy indrindra anefa dia satria io no "rano" naha-avara-drano an' Avaradrano. [1.10]
Explanations in French Limite sud du territoire d' Avaradrano [3.1]
Vocabulary 

Updated on 2020/07/31