|
|
|
|

Entry (1/2)1  Aleksandra
Part of speech  2  name (anthroponym) [Full list]
Explanations in Malagasy  3 Ny azo atao hoe: isan'ny mpitari-tafika ngeza indrindra sady mpanao
4 tetikady mahay indrindra teto an-tany. Teraka tamin'ny 356, maty tamin'ny 323
5 talohan'i J.K. tany Babilona [tohiny ambany] [1.10]
Examples  6  aleksandra mpanjaka, miarahaba an'i Jonatasa rahalahiny. [2.996]
Vocabulary  7  History: individuals
Analogs  8  aleksandria
Article  9 Randzavola: Diksionera amin' ny Baiboly: Aleksandra
Text  10 

Zanak'i Filipo II avy any Makedonia sy Olympias. Hita ho nandova nyfahambonian-tsaina avy tamin'ny rainy sy reniny. Hatramin'ny 345 dia ilaytena ngezalahy tamin'ny fahalalana, i Aristota, no nikarakara ny sainy,ka io no nampianatra azy ny karazam-pahalalana rehetra fantatry ny olonatamin'izay, indridra fa ny asan'i Homera.Ny fizarana manao raharaha samy hafa kosa dia nianarany tao an-dapan-drainy,izay nifaneraserany tamin'ireo manamboninahitra sy solontenam-pirenenasamy hafa tonga teo. Nanjaka nandimby an-drainy izy nony maty novonoin'olona rainy(336). -- Tamin'ny fivoriana tao Korinto (335) dia nekena ho jeneraliben'nyfoloalindahy makedoniana rehetra izy.

Nandresy ny Grika nikomy taminy izy, ary samy nampiasainy tamin'izanyna ny hasiahana na ny halemen-panahy. Ny niantombohan'ny ady ngeza nataonyan'i Azia Minora, nitondra miaramila an-tongotra 30.000 sy an-tsovaly 5.000. --

Rahefa tonga tany Troade izy dia nanatitra fanatitra ho an'ny ambiroan'iPriam sy Achille (ireo mpiady malaza tantarain'i Homera), vao nandrosohatrany Granique ka nanotohoto ny voalohan-tafika persiana tao.

Tonga tompon'i Azia Minora manontolo izy. Nihoatra ny tendrombohitra Taorosy izy,dia nijanona tao Tarsosy aloha, fa narary mafy. Rahefa nitsangana avy teony lehilahy dia nandroso nankany Kilikia ka nanorotoro ny tafik'i Dariosy teo an-tanilemak'Issos. Noreseny hatrany ny moron-tsirak'i Syria.

Tany Foinikia, ny tanàna Tyro, teo amin'ny nosy kely mafy fiarovana,dia nataony fahirano 7 volana, sady nanaovany tetezam-bato mankeny aminy, vao azony.

Farany, afany koa Jerosalema, dia nandroso nankany Ejipta izy;namakivaky ny efitr'i Libia, dia tonga teo am-bavan'ny ony Neily,ary nanorina ilay tanàna malaza nampitondrainy ny anarany hoe Aleksandria.

Tamin'ny lohataonan'ny 331, rahefa nandresy ny moron-tsiraky ny fanjakana teoam-pelatànan'ny Persiana izy, dia niditra tao afovoan-tany.

Nita ny ony Eofatra tao Tapsaque izy; nita koa ny ony Tigrisy, tao akaikin'ny sisa naharavan'ny tanàna Nivive, ary nifanehatra tao Gangamelatamin'ny tafi-baovao vao noforonin'i Dariosy indray.Nanaiky azy avokoa any tanàn-dehibe rehetra, toa an-dry Babilona,Sosana, Persepolisy, Ekbatana.

Notanarahiny eran'i Media sy Baktriana i Dariosy, ka farany dia maty novonoin'olona. Izany no niafaran'ny fanjakam-be voalohan'ny Persiana.-- Nankany India koa Aleksandra. Izy no mpanjaka eoropeana tonga voalohany tany.

Noho ny harerahana amin'ity ady sy dia lava tsy misy farany dia nitokonatsy nety mandeha intsony miaramilany, ka dia tsy maintsy nijanona izy!

Taorian'izany anefa dia mbola nikasa handeha hanafika ny Arabo indray izy,kanjo teo am-piomanana indrindra dia voan'ny tazo.

Hafoloana taorian'ny niandohan'ny aretiny dia nampandalovina tsirairayteo anatrehany nanao veloma azy ny miaramila makedoniana, ary dia maty izyny ampitson'iny (323) raha tovolahy vao 32 taona monja.

Ny fikasan'i Aleksandra Lehibe.Rahefa dinihana fatratra ny tantarany dia misy zavatra toy izao hitataratra tamin'ny nataony:(1) Nikendry hampiova ny fombam-piainan'ny firenena Tatsinanana ho tahaka nyan'ny Tandrefana izy. Izany noanton'ny nanorenany tanàna syzanatany grika betsaka hatraiza hatraiza.(2) Nitady hampifangaro ra ny Tatsinanana sy ny Tandrefana izy; koa ny tenany dia nanambady vehivavy Persiana vitsivitsy, ary ny miaramilany (Grika, Makedoniana) marobe dia nampirisihiny na notereny hanao toy izany koa.(3) Raha ny momba ny fitondram-panjakana kosa dia nataon'i Aleksandra fany an'ny Persiana no tsara kokoa, ka dia ny an'i Azia no narahiny nohony an'i Eoropa.

Ny toe-tsainy.Nahatalanjona ny herin-tsain'ity zatovolahy ity. Mendrika azy ny anaranahoe "Lehibe". Fatratra ny fahaizany hitondra tafika sy ny fahitany tetikady hatao.Nanana sitrapo henjana, mahay mampanaiky sy mampakato koa izy,na ny miaramilany na ny fahavalony. Mahaloa-bolana ny herimpony,fa izay rehetra nokasainy dia hainy notontosaina tanteraka sy haingana.

Ny miaramilany dia natoky fa tsy misy tsy ho efany rahefa hataony.(Mba lasa ho azy ao ny saina mahatsiaro (kely) an'i Lehidama).

Ny toe-panahiny.Raha mijery ny toe-panahiny isika dia matroka izy; sady nanarampotamin'ny filan'ny nofo no nisotro toaka.(1) Nihanasiaka izy nony nitombo hery: ny komandiny anankiray izaynanohitra azy dia notaritarihiny velona tao aorian'ny kalesinymandra-pahapotipotiny; Philota, komandin'ny miaramilany an-tsoavaly dia nampijaliny sy novonoiny noho ny ahiahy fotsiny.(2) Tonga nanandra-tena ho andriamanitra koa Aleksandra nony nisondrotra.

Calisthêne, mpanoratra, olon-kendry grika, nony tsy nety nanaiky azy ho andriamanitradia nody nolazainy hoe mitetika ka hikomy ka novonoiny.

Tsy mba nanao tahaka andry Périclès sy Epaminonde, izay nitandrinatsara ny toe-panahiny sady nikely aina hanasoa olona nony tafasandratra, izy.

Ary azo inoana fa: vokatry ny fitsiriritany tsy manam-pitsaharana, ny ran-olo-marinanalatsany, ary ny rehaka diso fampana, no nahafolaka andantony azy.


Entry (2/2)11  Aleksandra
Part of speech  12  name (biblical) [Full list]
Explanations in English  13 Alexander [2.996]
Explanations in French  14 Alexandre [2.996]
Vocabulary  15  Holy Scriptures
Biblical quotes  16 Chapters and verses mentioning Aleksandra

Updated on 2025/11/17