Chapters and verses mentioning Paska

  Exodus Fanafahana na Eksodosy Fanafahana na Eksaody L'Exode
...............
Eks 12.11 And thus shall ye eat it; with your loins girded, your shoes on your feet, and your staff in your hand; and ye shall eat it in haste: it is the Lord' s passover. Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin' ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan' i Jehovah. Ary toy izao no hihinananareo azy: ny valahana voasikina, ny tongotra voaisy kapa; ny tànana mitan-tehina, ny fihinanana azy atao faingana. Pakan' ny Tompo izany. C' est ainsi que vous la mangerez : vos reins ceints, vos sandales aux pieds et votre bâton en main. Vous la mangerez en toute hâte, c' est une pâque pour Yahvé.
...............
Eks 12.21 Then Moses called for all the elders of Israel, and said unto them, Draw out and take you a lamb according to your families, and kill the passover. Dia nampanalain' i Mosesy ny loholon' ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska. Dia novorin' i Moizy ny loholona rehetra amin' Israely, ka nilazany hoe: Mifidiana sy makà zanak' ondry iray ho an' ny fianakavianareo, ka vonoy ny Paka. Moïse convoqua tous les anciens d' Israël et leur dit : " Allez vous procurer du petit bétail pour vos familles et immolez la pâque.
...............
Eks 12.27 That ye shall say, It is the sacrifice of the Lord' s passover, who passed over the houses of the children of Israel in Egypt, when he smote the Egyptians, and delivered our houses. And the people bowed the head and worshipped. dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan' i Jehovah, Izay nandalo ny tranon' ny Zanak' Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka. Dia hovalianareo hoe: Izao no soron' ny Paka, fankalazana an' ny Tompo, fa nolalovany fotsiny ny tranon' ny zanak' Israely tany Ejipta, fony namely an' i Ejipta, fa namonjy ny tranontsika kosa. Dia niondrika ny vahoaka ary niankohoka. vous leur direz : "C' est le sacrifice de la Pâque pour Yahvé qui a passé au-delà des maisons des Israélites en Égypte, lorsqu' il frappait l'Égypte, mais épargnait nos maisons. " Le peuple alors s' agenouilla et se prosterna.
...............
Eks 12.43 And the Lord said unto Moses and Aaron, This is the ordinance of the passover: There shall no stranger eat thereof: Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn' ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy sy Aarona: Izao no didy momba ny Paka: Ny olon-kafa firenena tsy hisy hihinana azy. Yahvé dit à Moïse et à Aaron : " Voici le rituel de la pâque : aucun étranger n' en mangera.
...............
Eks 12.47 All the congregation of Israel shall keep it. Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany. Ny fiangonan' Israely rehetra hanao ny Paka avokoa. Toute la communauté d' Israël la fera.
Eks 12.48 And when a stranger shall sojourn with thee, and will keep the passover to the Lord, let all his males be circumcised, and then let him come near and keep it; and he shall be as one that is born in the land: for no uncircumcised person shall eat thereof. Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan' i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany. Raha misy vahiny mitoetra ao aminao, mba te-hanao ny Pakan' ny Tompo, dia hoforana avokoa ny lehilahy ao an-tranony, vao manatona hanao izany izy, ka ho toy ny tompon-tany izy; fa ny tsy voafora tsy hihinana aminy. Si un étranger en résidence chez toi veut faire la Pâque pour Yahvé, tous les mâles de sa maison devront être circoncis ; il sera alors admis à la faire, il sera comme un citoyen du pays ; mais aucun incirconcis ne pourra en manger.
...............
Eks 34.25 Thou shalt not offer the blood of my sacrifice with leaven; neither shall the sacrifice of the feast of the passover be left unto the morning. Aza manatitra ny ran' ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin' ny andro firavoravoana amin' ny Paska. Tsy hiara-katolotra amin' ny mofo misy lalivay ny ran' ny sorona atao amiko; ary tsy hotehirizina mandritra ny alina ho tra-maraina ny sorona amin' ny fetin' ny Paka. Tu n' offriras pas avec du pain levé le sang de ma victime, et la victime de la fête de Pâque ne sera pas gardée jusqu' au lendemain.

  Leviticus Fisoronana na Levitikosy Fisoronana na Levitika Le Lévitique
...............
Lev 23.5 In the fourteenth day of the first month at even is the Lord' s passover. Ny andro fahefatra ambin' ny folo amin' ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan' i Jehovah. Amin' ny volana voalohany, andro fahefatra ambin' ny folon' ny volana amin' ilay àty takariva iny, dia Pakan' ny Tompo. Le premier mois, le quatorzième jour du mois, au crépuscule, c' est Pâque pour Yahvé,

  Numbers Fanisana na Nomery Fanisana Les Nombres
...............
Nom / Fan 9.2 Let the children of Israel also keep the passover at his appointed season. Aoka hotandreman' ny Zanak' Isiraely ny Paska amin' ny fotoany. Aoka ny zanak' Israely hanao ny Paka amin' ny fotoana voatendry. " Que les Israélites célèbrent la Pâque au temps fixé.
...............
Nom / Fan 9.4 And Moses spake unto the children of Israel, that they should keep the passover. Ary Mosesy niteny tamin' ny Zanak' Isiraely mba hitandrina ny Paska. Dia niteny tamin' ny zanak' Israely Moizy mba hanaovan' izy ireo ny Paka. Moïse dit aux Israélites de célébrer la Pâque.
Nom / Fan 9.5 And they kept the passover on the fourteenth day of the first month at even in the wilderness of Sinai: according to all that the Lord commanded Moses, so did the children of Israel. Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr' i Sinay izy tamin' ny harivan' ny andro fahefatra ambin' ny folo tamin' ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy no nataon' ny Zanak' Isiraely. Ka tamin' ny andro fahefatra ambin' ny folon' ny volana voalohany, tamin' ny àty takariva dia nanao ny Paka tany an' efitra Sinaia izy ireo. Notanterahin' ny zanak' Israely avokoa izay rehetra nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Ils la célébrèrent, dans le désert du Sinaï, au premier mois, le quatorzième jour du mois, au crépuscule. Les Israélites firent tout ce que Yahvé avait ordonné à Moïse.
Nom / Fan 9.6 And there were certain men, who were defiled by the dead body of a man, that they could not keep the passover on that day: and they came before Moses and before Aaron on that day: Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin' izany andro izany; dia nankeo anatrehan' i Mosesy sy Arona izy tamin' izany andro izany Nisy olona sasany sendra voaloto tamim-paty ka tsy afa-nanao ny Paka tamin' izany andro izany. Nankeo anatrehan' i Moizy sy Aarona andron' izay ihany izy ireo, ka nanao tamin' i Moizy hoe: Or, il se trouva des hommes qui avaient contracté une impureté du fait d' un mort ; ils ne purent célébrer la Pâque ce jour-là. Ils vinrent le même jour trouver Moïse et Aaron
...............
Nom / Fan 9.10 Speak unto the children of Israel, saying, If any man of you or of your posterity shall be unclean by reason of a dead body, or be in a journey afar off, yet he shall keep the passover unto the Lord. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin' ny taranakareo hatramin' ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an' i Jehovah ihany koa izy. Mitenena amin' ny zanak' Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo, na amin' ny taranakareo, maloto amim-paty na lasa nivahiny any an-tany lavitra, dia hanao ny Paka ho hajan' ny Tompo izy; " Parle aux Israélites et dis-leur :Si quelqu' un, parmi vous ou vos descendants, se trouve impur, du fait d' un mort, ou est en voyage au loin, il célébrera une Pâque pour Yahvé.
...............
Nom / Fan 9.12 They shall leave none of it unto the morning, nor break any bone of it: according to all the ordinances of the passover they shall keep it. Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin' ny Paska ihany koa no hitandremany azy. Tsy hamelany hisy tra-maraina izy, ary tsy hotapahiny ny taolany. Ho araka ny fitsipika rehetra momba ny Paka no hankalazany azy. rien n' en devra rester au matin, ils n' en briseront aucun os. C' est selon tout le rituel de la Pâque qu' ils la célébreront.
Nom / Fan 9.13 But the man that is clean, and is not in a journey, and forbeareth to keep the passover, even the same soul shall be cut off from among his people: because he brought not the offering of the Lord in his appointed season, that man shall bear his sin. Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an' i Jehovah tamin' ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany. Raha olona madio sady tsy misy dia nalehany no tsy mankalaza ny Paka, dia hoesorina amin' ny fireneny izy; noho izy tsy nanolotra ny fanatitra ho an' ny Tompo amin' ny fotoana voatendry dia hilonjy ny fahotany izy. Mais celui qui se trouve pur ou qui n' a pas eu à voyager, celui-là sera retranché de sa race s' il omet de célébrer la Pâque. Il n' a pas apporté l' offrande de Yahvé au temps fixé, il portera le poids de son péché.
Nom / Fan 9.14 And if a stranger shall sojourn among you, and will keep the passover unto the Lord; according to the ordinance of the passover, and according to the manner thereof, so shall he do: ye shall have one ordinance, both for the stranger, and for him that was born in the land. Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an' i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin' ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany. Raha vahiny mitoetra eo aminareo no manao ny Pakan' ny Tompo dia hotandremany ny lalàna amam-pitsipika momba ny Paka. Lalàna iray ihany no ho anareo, na ho an' ny vahiny na ho an' ny tompon-tany. Si quelque étranger réside parmi vous et célèbre une Pâque pour Yahvé, c' est selon le rituel et les coutumes de la Pâque qu' il la célébrera. Il n' y aura chez vous qu' une loi, pour l'étranger comme pour le citoyen.
...............
Nom / Fan 28.16 And in the fourteenth day of the first month is the passover of the Lord. Ary ny andro fahefatra ambin' ny folo amin' ny volana voalohany dia Paskan' i Jehovah. Amin' ny volana voalohany, andro fahefatra ambin' ny folon' ny volana, dia Pakan' ny Tompo. " Le premier mois, le quatorzième jour du mois, c' est la Pâque de Yahvé,
...............
Nom / Fan 33.3 And they departed from Rameses in the first month, on the fifteenth day of the first month; on the morrow after the passover the children of Israel went out with an high hand in the sight of all the Egyptians. Niala tao Ramesesa Izy tamin' ny volana voalohany, dia tamin' ny andro fahadimy ambin' ny folo tamin' ny volana voalohany; nony ampitson' ny Paska no nivoahan' ny Zanak' Isiraely tamin' ny tanana avo teo imason' ny Egyptiana rehetra. Niala tao Ramsesa tamin' ny volana voalohany izy, tamin' ny andro fahadimy ambin' ny folon' ny volana voalohany. Ny ampitson' ny Paka dia tamin' ny tànana voasandratra no nivoahan' ny zanak' Israely teo imason' ny Ejipsiana rehetra. Ils partirent de Ramsès le premier mois. C' est le quinzième jour du premier mois, lendemain de la Pâque, que les Israélites partirent la main haute, aux yeux de toute l'Égypte.

  Deuteronomy Fifanekena na Detoronomia Fifanekena na Detoronomy Le Deutéronome
Deo / Dt 16.1 Observe the month of Abib, and keep the passover unto the Lord thy God: for in the month of Abib the Lord thy God brought thee forth out of Egypt by night. Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan' i Jehovah Andriamanitrao fa tamin' ny volana Abiba no nitondran' i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin' ny alina. Tandremo ny volana Abiba, ka ankalazao ny Paka, fanomezam-boninahitra an' ny Tompo Andriamanitrao, fa tamin' ny volana Abiba, raha alina, no nitondran' ny Tompo Andriamanitrao anao nivoaka tany Ejipta. Observe le mois d' Abib et célèbre une Pâque pour Yahvé ton Dieu, car c' est au mois d' Abib que Yahvé ton Dieu, la nuit, t' a fait sortir d'Égypte.
Deo / Dt 16.2 Thou shalt therefore sacrifice the passover unto the Lord thy God, of the flock and the herd, in the place which the Lord shall choose to place his name there. Ary vonoy ny Paskan' i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman' osy sy omby, eo amin' ny tany izay hofidin' i Jehovah hampitoerany ny anarany. Any amin' ny fitoerana izay hofidin' ny Tompo Andriamanitrao hamponenany ny anarany, no hamonoanao ny soron' ny Paka, amin' ny Tompo Andriamanitrao, ny ondry sy ny omby. Tu immoleras pour Yahvé ton Dieu une pâque de gros et de petit bétail, au lieu choisi par Yahvé ton Dieu pour y faire habiter son nom.
...............
Deo / Dt 16.5 Thou mayest not sacrifice the passover within any of thy gates, which the Lord thy God giveth thee: Tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tanànanao rehetra izay omen' i Jehovah Andriamanitrao anao; Tsy ho azonao amonoana ny soron' ny Paka avokoa tsy akory ny tanàna rehetra homen' ny Tompo Andriamanitrao anao, Tu ne pourras pas immoler la pâque dans l' une des villes que Yahvé ton Dieu t' aura données,
Deo / Dt 16.6 But at the place which the Lord thy God shall choose to place his name in, there thou shalt sacrifice the passover at even, at the going down of the sun, at the season that thou camest forth out of Egypt. fa eo amin' ny fitoerana izay hofidin' i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta. fa amin' ny fitoerana izay hofidin' ny Tompo Andriamanitrao hamponenany ny anarany ihany no hamonoanao ny soron' ny Paka, amin' ilay hariva maty masoandro iny, izay fotoana nivoahanao tany Ejipta. mais c' est au lieu choisi par Yahvé ton Dieu pour y faire habiter son nom que tu immoleras la pâque, le soir au coucher du soleil, à l' heure de ta sortie d'Égypte.

  Joshua Josoa Josoe Livre de Josué
...............
Jos 5.10 And the children of Israel encamped in Gilgal, and kept the passover on the fourteenth day of the month at even in the plains of Jericho. Ary ny Zanak' Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin' ny harivan' ny andro fahefatra ambin' ny folo tamin' ny volana, teo amin' ny tani-hay any Jeriko. Nitoby tao Galgalà ny zanak' Israely, dia nanao ny Paka, tamin' ny andro fahefatra ambin' ny folon' ny volana, rahefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak' i Jerikao. Les Israélites campèrent à Gilgal et y firent la Pâque, le quatorzième jour du mois, le soir, dans la plaine de Jéricho.
Jos 5.11 And they did eat of the old corn of the land on the morrow after the passover, unleavened cakes, and parched corn in the selfsame day. Ary nony ampitson' ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin' izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango. Ny ampitson' ny Paka ihany no efa nihinanany mofo tsy misy lalivay sy lango, tamin' ny vokatry ny tany. Le lendemain de la Pâque, ils mangèrent du produit du pays : pains sans levain et épis grillés, en ce même jour.
Jos 5.12 And the manna ceased on the morrow after they had eaten of the old corn of the land; neither had the children of Israel manna any more; but they did eat of the fruit of the land of Canaan that year. Ary nitsahatra ny mana tamin' iny andro ampitso iny, dia tamin' ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an' ny Zanak' Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin' izany taona izany. Ary ny ampitson' ny Paka, rahefa nihinana tamin' ny vokatry ny tany izy, dia nitsahatra ny mana; ary tsy nahazo mana intsony ny zanak' Israely, ka dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin' izany taona izany. Il n' y eut plus de manne le lendemain, où ils mangeaient du produit du pays. Les Israélites n' ayant plus de manne se nourrirent dès cette année des produits de la terre de Canaan.

  2nd Book of Kings 2 Mpanjaka Mpanjaka II 2ème Livre des Rois
...............
2Mp 23.21 And the king commanded all the people, saying, Keep the passover unto the Lord your God, as it is written in the book of this covenant. Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan' i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin' ny bokin' ity fanekena ity. Izao no didy nomen' ny mpanjaka ny vahoaka rehetra: Mankalazà ny Paka, ho fanajana an' ny Tompo Andriamanitrareo, araka ny voasoratra amin' ity bokin' ny fanekena ity. Le roi donna cet ordre à tout le peuple : "Célébrez une Pâque en l' honneur de Yahvé votre Dieu, de la manière qui est écrite dans ce livre de l' alliance."
2Mp 23.22 Surely there was not holden such a passover from the days of the judges that judged Israel, nor in all the days of the kings of Israel, nor of the kings of Judah; Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin' ny andron' ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin' ny andro rehetra nanjakan' ny mpanjakan' ny Isiraely sy ny mpanjakan' ny Joda; Ary tsy mbola nisy nahatoraka an' izany, ny fankalazana ny fetin' ny Paka, hatramin' ny andron' ny Mpitsara nitsara an' Israely, na tamin' ny andro rehetra nanjakan' ny mpanjakan' Israely sy ny mpanjakan' i Jodà. On n' avait pas célébré une Pâque comme celle-là depuis les jours des Juges qui avaient régi Israël et pendant tout le temps des rois d' Israël et des rois de Juda.
2Mp 23.23 But in the eighteenth year of king Josiah, wherein this passover was holden to the Lord in Jerusalem. fa tamin' ny taona fahavalo ambin' ny folo nanjakan' i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an' i Jehovah tany Jerosalema. Tamin' ny taona fahavalo ambin' ny folo nanjakan' i Josiasa no nankalazana izany Paka izany tao Jerosalema ho fanomezam-boninahitra an' ny Tompo. C' est seulement en la dix-huitième année du roi Josias qu' une telle Pâque fut célébrée en l' honneur de Yahvé à Jérusalem.

  2nd Book of Chronicles 2 Tantara Tantara II 2ème Livre des Chroniques
2Tt / 2Tan 30.1 And Hezekiah sent to all Israel and Judah, and wrote letters also to Ephraim and Manasseh, that they should come to the house of the Lord at Jerusalem, to keep the passover unto the Lord God of Israel. Ary Hezekia naniraka tany amin' ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin' ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon' i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Nandefa iraka ho any amin' Israely rehetra sy Jodà Ezekiasa ary nanoratra taratasy ho any amin' i Efraima sy Manase koa, hankanesan' izy ireo ao an-tranon' ny Tompo ao Jerosalema, hanao ny Paka ho fankalazana an' ny Tompo Andriamanitr' Israely. Ézéchias envoya des messagers à tout Israël et Juda, et écrivit même des lettres à Éphraïm et à Manassé, pour que l' on vienne au Temple de Yahvé à Jérusalem célébrer une Pâque pour Yahvé, le Dieu d' Israël.
2Tt / 2Tan 30.2 For the king had taken counsel, and his princes, and all the congregation in Jerusalem, to keep the passover in the second month. Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin' ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin' ny hitandremana ny Paska amin' ny volana faharoa. Nanao fivoriana fakan-kevitra ny amin' ny hankalazana ny Paka amin' ny volana faharoa ny mpanjaka sy ny lehibe mbamin' ny fiangonana rehetra tao Jerosalema; Le roi, ses officiers et toute l' Assemblée de Jérusalem furent d' avis de la célébrer le second mois
...............
2Tt / 2Tan 30.5 So they established a decree to make proclamation throughout all Israel, from Beersheba even to Dan, that they should come to keep the passover unto the Lord God of Israel at Jerusalem: for they had not done it of a long time in such sort as it was written. Dia nandidy handefa teny eran' ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan' ny olona hitandrina ny Paska ho an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra. Dia nanapa-kevitra ny handefa teny amin' Israely rehetra, hatrany Bersabea ka hatrany Dana izy ireo, mba samy ho tonga ao Jerosalema ny olona, hanao ny Paka ho fankalazana an' ny Tompo Andriamanitr' Israely, fa efa tsy nankalazain' izy ireo mitamba-be intsony, araka ny voasoratra. On décida de faire passer à travers tout Israël, de Bersabée à Dan, un appel à venir célébrer à Jérusalem une Pâque pour Yahvé, Dieu d' Israël; peu, en effet, s'étaient conformés à l'Écriture.
...............
2Tt / 2Tan 30.15 Then they killed the passover on the fourteenth day of the second month: and the priests and the Levites were ashamed, and sanctified themselves, and brought in the burnt offerings into the house of the Lord. Dia namono ny Paska izy tamin' ny andro fahefatra ambin' ny folo tamin' ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon' i Jehovah. Izay vao namono ny Paka izy ireo, tamin' ny andro fahefatra ambin' ny folon' ny volana faharoa. Menatra ny mpisorona sy ny Levita, ka nanamasina ny tenany, dia nanolotra sorona dorana, tao an-tranon' ny Tompo. On immola la Pâque le quatorze du second mois. Pleins de confusion, les prêtres et les lévites se sanctifièrent et purent porter les holocaustes au Temple de Yahvé.
...............
2Tt / 2Tan 30.17 For there were many in the congregation that were not sanctified: therefore the Levites had the charge of the killing of the passovers for every one that was not clean, to sanctify them unto the Lord. Fa nisy maro tao amin' ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an' i Jehovah. Ny Levita dia notendrena hamono ny soron' ny Paka, ho an' izay rehetra tsy madio mba hanokana azy ireo ho an' ny Tompo; fa betsaka ny olona teo amin' ny fiangonana no tsy mbola nanamasina ny tenany. car il y avait beaucoup de gens dans l' Assemblée qui ne s'étaient pas sanctifiés et les lévites étaient chargés d' immoler les victimes pascales au profit de ceux qui n' avaient pas la pureté requise pour les consacrer à Yahvé.
2Tt / 2Tan 30.18 For a multitude of the people, even many of Ephraim, and Manasseh, Issachar, and Zebulun, had not cleansed themselves, yet did they eat the passover otherwise than it was written. But Hezekiah prayed for them, saying, The good Lord pardon every one Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin' ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an' ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà Fa betsaka tamin' ny vahoaka, maro tamin' i Efraima, Manase, Isakara, Zabolona, no dia tsy nandio tena, ka nihinana ny Paka ihany, nefa tsy nanaraka izay voasoratra. Fa dia nivavaka ho azy ireo Ezekiasa, nanao hoe: En effet, la majorité du peuple, beaucoup d'Éphraïmites, de Manassites, de fils d' Issachar et de Zabulon, ne s'étaient pas purifiés; ils avaient mangé la Pâque sans se conformer à l'Écriture. Mais Ézéchias pria pour eux; il dit : " Que Yahvé dans sa bonté couvre la faute de
...............
2Tt / 2Tan 30.22 And Hezekiah spake comfortably unto all the Levites that taught the good knowledge of the Lord: and they did eat throughout the feast seven days, offering peace offerings, and making confession to the Lord God of their fathers. Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an' i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an' i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Niteny tamin' ny Levita rehetra, teny manetsika ny fo, Ezekiasa, fa naneho fahaizana fatratra tamin' ny fanompoana an' ny Tompo izy ireo. Nandritra ny hafitoana izy ireo nihinana ny zavatra natao sorona tamin' ny fety, nanolotra ny sorom-pihavanana, ary nidera an' ny Tompo Andriamanitry ny razany. Ézéchias encouragea les lévites qui avaient tous l' intelligence des choses de Yahvé, et pendant sept jours ils prirent part au festin de la solennité, célébrant les sacrifices de communion et louant Yahvé, le Dieu de leurs pères.
2Tt / 2Tan 35.1 Moreover Josiah kept a passover unto the Lord in Jerusalem: and they killed the passover on the fourteenth day of the first month. Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an' i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin' ny andro fahefatra ambin' ny folo tamin' ny volana voalohany. Nankalaza ny Paka tao Jerosalema Josiasa ho fankalazana an' ny Tompo, ka namono ny Paka ny olona tamin' ny andro fahefatra ambin' ny folon' ny volana voalohany. Josias célébra alors à Jérusalem une Pâque pour Yahvé et on immola la Pâque le quatorzième jour du premier mois.
...............
2Tt / 2Tan 35.6 So kill the passover, and sanctify yourselves, and prepare your brethren, that they may do according to the word of the Lord by the hand of Moses. Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an' ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin' i Jehovah izay nampilazainy an' i Mosesy. Dia vonoy ny Paka, hamasino ny tenanareo, ary amboary izy ho an' ny rahalahinareo, hanarahan' ny olona ny tenin' ny Tompo voalaza tamin' i Moizy. Immolez la Pâque, sanctifiez-vous, et soyez à la disposition de vos frères en agissant selon la parole de Yahvé transmise par Moïse. "
2Tt / 2Tan 35.7 And Josiah gave to the people, of the flock, lambs and kids, all for the passover offerings, for all that were present, to the number of thirty thousand, and three thousand bullocks: these were of the king' s substance. Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen' i losia zanak' ondry sy zanak' osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin' ny fananan' ny mpanjaka ireo. Nanao fanomezana tamin' ny ankapobem-bahoaka rehetra Josiasa, dia biby fiompy madinika, zanak' ondry aman-janak' osy, telo alina no isany, ho an' izay rehetra tonga teo hanaovany ny Paka; ary omby telo arivo; avy tamin' ny fananan' ny mpanjaka avokoa izany rehetra izany. Josias préleva alors pour les laïcs du petit bétail, des agneaux et des chevreaux, au nombre de trente mille, toutes victimes pascales pour tous ceux qui se trouvaient là, plus trois mille boeufs. Ce bétail était pris sur les biens du roi.
2Tt / 2Tan 35.8 And his princes gave willingly unto the people, to the priests, and to the Levites: Hilkiah and Zechariah and Jehiel, rulers of the house of God, gave unto the priests for the passover offerings two thousand and six hundred small cattle and three hundred oxen. Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an' ny olona sy ho an' ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon' Andriamanitra, nanome ondry aman' osy enin-jato amby roa arivo ho an' ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato. Ny lehibe nanolotra fanomezana an-tsitra-po ho an' ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita. Helkiasa, Zakariasa ary Jahiela, filohany ao an-tranon' ny Tompo nanome zanak' ondry enin-jato sy roa arivo sy omby telon-jato, ho an' ny mpisorona, hanaovana ny Paka. Ses officiers firent aussi un prélèvement en offrande volontaire pour le peuple, pour les prêtres et les lévites. Hilqiyyahu, Zekaryahu et Yehiel, chefs du Temple de Dieu, donnèrent aux prêtres, en victimes pascales, deux mille six cents têtes de petit bétail et trois cents boeufs.
2Tt / 2Tan 35.9 Conaniah also, and Shemaiah and Nethaneel, his brethren, and Hashabiah and Jeiel and Jozabad, chief of the Levites, gave unto the Levites for passover offerings five thousand small cattle, and five hundred oxen. Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben' ny Levita, nanome ondry aman' osy dimy arivo ho an' ny Levita hatao Paska ary omby dimam-jato. Koneniasa, Semeiasa sy Natanaela, rahalahiny, Hasabiasa, Jehiala, Jozabada, lehiben' ny Levita, nanome zanak' ondry dimy arivo sy omby diman-jato, ho an' ny Levita hanaovana ny Paka. Les officiers des lévites Konanyahu, Shemayahu et Netanéel son frère, Hashabyahu, Yeïel et Yozabad prélevèrent pour les lévites, comme victimes pascales, cinq mille têtes de petit bétail et cinq cents boeufs.
...............
2Tt / 2Tan 35.11 And they killed the passover, and the priests sprinkled the blood from their hands, and the Levites flayed them. Dia novonoin' ny olona ny Paska, ary natopin' ny mpisorona ny rà teny an-tànany, dia vao nohodiran' ny Levita kosa. Novonoin' ny Levita ny Paka, ary ny mpisorona nandray ny ra avy any an-tanan' ireo sy nandraraka azy, ary ny Levita kosa tamin' izay dia nanoditra ny sorona. Ils immolèrent la Pâque; les prêtres répandirent le sang qu' ils recevaient des mains des lévites, et les lévites dépecèrent les victimes.
...............
2Tt / 2Tan 35.13 And they roasted the passover with fire according to the ordinance: but the other holy offerings sod they in pots, and in caldrons, and in pans, and divided them speedily among all the people. Ary ny Paska natsatsika tamin' ny afo araka ny fanao; fa ny zava-masina kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin' ny olona rehetra izany. Natsatsiny tamin' ny afo, araka ny fanao, ny Paka, nandrahoiny tamin' ny vilany sy vilanibe ary lapoaly, ny fanatitra masina, dia nozarainy faingana tamin' ny ankapobem-bahoaka rehetra. Ils cuirent au feu la Pâque selon la règle, et cuirent les mets sacrés dans des terrines, des marmites et des plats creux qu' ils portèrent en hâte à tout le peuple.
2Tt / 2Tan 35.14 And afterward they made ready for themselves, and for the priests: because the priests the sons of Aaron were busied in offering of burnt offerings and the fat until night; therefore the Levites prepared for themselves, and for the priests the sons of Aaron. Ary rehefa afaka izany, dia nanamboatra io an' ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak' i Arona, nanatitra ny fanatitra dorana sy ny saborany mandra-pahalin' ny andro; fa ny Levita kosa nanamboatra ny Paska ho an' ny tenany sy ny mpisorona, taranak' i Arona. Izay izy ireo vao namboatra ho an' ny tenany sy ho an' ny mpisorona; fa niasa mandra-pahalin' ny andro ny mpisorona, taranak' i Aarona, nanolotra ny sorona dorana sy ny sabora; ka izany no nanamboaran' ny Levita ho an' ny tenany sy ho an' ny mpisorona, taranak' i Aarona. Après quoi ils préparèrent la Pâque pour eux-mêmes et pour les prêtres - les prêtres, fils d' Aaron, ayant été occupés jusqu'à la nuit à offrir l' holocauste et les graisses; c' est pourquoi les lévites préparèrent la Pâque pour eux-mêmes et pour les prêtres, fils d' Aaron.
2Tt / 2Tan 35.15 And the singers the sons of Asaph were in their place, according to the commandment of David, and Asaph, and Heman, and Jeduthun the king' s seer; and the porters waited at every gate; they might not depart from their service; for their brethren the Levites prepared for them. Ary ny mpihira, taranak' i Asafa, nitoetra teo amin' ny fitoerany, araka ny didin' i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan' ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin' ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin' ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy. Ny mpihira, taranak' i Asafa, nitoetra teo amin' ny fitoerany, araka ny didin' i Davida sy Asafa, ary Hemana sy Iditona, mpahitan' ny mpanjaka; ny mpiandry varavarana kosa samy teo amin' ny isam-bavahady avy, fa tsy nanan-javatra hoherikerehina afa-tsy ny raharahany ihany, satria ny Levita rahalahiny efa nanamboatra ny Paka ho azy. Les chantres, fils d' Asaph, étaient à leur poste, selon les prescriptions de David; ni Asaph, ni Hémân, ni Yedutûn le voyant du roi, ni les portiers à chaque porte, n' eurent à quitter leur service, car leurs frères lévites leur préparèrent tout.
2Tt / 2Tan 35.16 So all the service of the Lord was prepared the same day, to keep the passover, and to offer burnt offerings upon the altar of the Lord, according to the commandment of king Josiah. Ary dia vonona androtrizay avokoa ny hatao fanompoana an' i Jehovah amin' ny hitandremana ny Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana eo ambonin' ny alitaran' i Jehovah araka ny tenin' i Josia mpanjaka. Izany no nandaharana ny fanompoana an' ny Tompo tamin' izany andro izany, hankalazana ny Paka sy hanolorana sorona dorana eo ambony otelin' ny Tompo, araka ny didin' i Josiasa mpanjaka. C' est ainsi que toute la liturgie de Yahvé fut, ce jour-là, organisée de manière à célébrer la Pâque et à offrir des holocaustes sur l' autel de Yahvé selon les prescriptions du roi Josias.
2Tt / 2Tan 35.17 And the children of Israel that were present kept the passover at that time, and the feast of unleavened bread seven days. Ary ny Zanak' isiraely izay vory teo dia nitandrina ny paska fahizay sy ny andro firavoravoana hafitoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Dia nankalaza ny Paka sy ny fetin' ny azima hafitoana ny zanak' Israely izay tonga teo, tamin' izany andro izany. C' est à ce moment que les Israélites présents célébrèrent la Pâque et pendant sept jours la fête des Azymes.
2Tt / 2Tan 35.18 And there was no passover like to that kept in Israel from the days of Samuel the prophet; neither did all the kings of Israel keep such a passover as Josiah kept, and the priests, and the Levites, and all Judah and Israel that were present, and the inhabitants of Jerusalem. Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin' ny Isiraely na dia hatramin' ny andron' i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan' ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon' i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema. Tsy mbola nisy Paka nankalazaina toy izany teo amin' Israely, hatramin' ny andron' i Samoela mpaminany; ary tsy mbola nisy mpanjakan' Israely nahavita Paka torak' izay nataon' i Josiasa mbamin' ny mpisorona, ny Levita, Jodà rehetra, sy Israely rehetra izay teo, ary ny mponina tao Jerosalema. On n' avait pas célébré une Pâque comme celle-là en Israël depuis l'époque de Samuel le prophète; aucun roi d' Israël n' avait célébré une Pâque semblable à celle que célébra Josias avec les prêtres, les lévites, tous les Judéens et Israélites présents, et les habitants de Jérusalem.
2Tt / 2Tan 35.19 In the eighteenth year of the reign of Josiah was this passover kept. Tamin' ny taona fahavalo ambin' ny folo nanjakan' i Josia no nitandremana izany Paska izany. Tamin' ny taona fahavalo ambin' ny folo nanjakan' i Josiasa no nanaovana izany Paka izany. C' est la dix-huitième année du règne de Josias que cette Pâque fut célébrée.

  Book of Ezra Ezra Esdrasa Livre d'Esdras
...............
Ezr / Esd 6.19 And the children of the captivity kept the passover upon the fourteenth day of the first month. Ary ny olona izay efa nody avy tamin' ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin' ny andro fahefatra ambin' ny folo tamin' ny volana voalohany; Tamin' ny andro fahaefatra ambin' ny folon' ny volana voalohany, dia nanao ny Paka ny zanaky ny fahababoana. Les exilés célébrèrent la Pâque le quatorze du premier mois.
Ezr / Esd 6.20 For the priests and the Levites were purified together, all of them were pure, and killed the passover for all the children of the captivity, and for their brethren the priests, and for themselves. fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an' izay rehetra efa nody avy tamin' ny fahababoana sy ho an' ny mpisorona rahalahiny ary ho an' ny tenany, Fa efa samy nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny levita tsy an-kanavaka, ka samy efa madio avokoa. Dia namono ny Paka izy ireo ho an' ny tenany. Les lévites, comme un seul homme, s'étaient purifiés : tous étaient purs; ils immolèrent donc la pâque; pour tous les exilés, pour leurs frères les prêtres et pour eux-mêmes.
Ezr / Esd 6.21 And the children of Israel, which were come again out of captivity, and all such as had separated themselves unto them from the filthiness of the heathen of the land, to seek the Lord God of Israel, did eat, Dia nihinana izany ny Zanak' Isiraely izay efa nody avy tamin' ny fahababoana mbamin' izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin' ny fahalotoan' ny firenena tompon-tany hitady an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Nihinana ny Paka ny zanak' Israely avy any amin' ny fahababoana, mbamin' izay rehetra niala tamin' ny fahalotoan' ny firenena tompon-tany, sy nanatona azy hiara-mitady an' ny Tompo Andriamanitr' Israely. Mangèrent la pâque : les Israélites qui étaient revenus d' exil et tous ceux qui, ayant rompu avec l' impureté des nations du pays, s'étaient joints à eux pour chercher Yahvé, le Dieu d' Israël.

  Book of Ezekiel Ezekiela Ezekiela Livre d'Ezéchiel
...............
Eze / Ez 45.21 In the first month, in the fourteenth day of the month, ye shall have the passover, a feast of seven days; unleavened bread shall be eaten. Amin' ny andro fahefatra ambin' ny folo amin' ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska; andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina. Amin' ny volana voalohany, andro fahefatra ambin' ny folon' ny volana no hanaovanareo ny Paka, fety maharitra herinandro; mofo tsy misy lalivay no hohanina. Au premier mois, le quatorzième jour du mois, ce sera pour vous la fête de la Pâque. Pendant sept jours on mangera des pains sans levain.

  The Gospel according to Matthew Matio Matio L'Évangile selon Saint Matthieu
...............
Mat / Mt 26.2 Ye know that after two days is the feast of the passover, and the Son of man is betrayed to be crucified. Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak' olona dia hatolotra hohomboana amin' ny hazo fijaliana. Fantatrareo fa raha afaka indroa andro dia tonga ny Paka, ary ny Zanak' olona hatolotra hofantsihana amin' ny hazo fijaliana. " La Pâque, vous le savez, tombe dans deux jours, et le Fils de l' homme va être livré pour être crucifié. "
...............
Mat / Mt 26.17 Now the first day of the feast of unleavened bread the disciples came to Jesus, saying unto him, Where wilt thou that we prepare for thee to eat the passover? Ary tamin' ny voalohan' ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin' i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska? Ary tamin' ny andro voalohany fihinanana ny azima, dia nanatona an' i Jeso ny mpianany ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboaranay hihinananao ny Paka? Le premier jour des Azymes, les disciples s' approchèrent de Jésus et lui dirent : " Où veux-tu que nous te préparions de quoi manger la Pâque ? "
Mat / Mt 26.18 And he said, Go into the city to such a man, and say unto him, The Master saith, My time is at hand; I will keep the passover at thy house with my disciples. Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska. Dia hoy Jeso taminy: Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan' androko, ka hanao ny Paka ato aminareo aho sy ny mpianatro. Il dit : " Allez à la ville, chez un tel, et dites-lui : "Le Maître te fait dire : Mon temps est proche, c' est chez toi que je vais faire la Pâque avec mes disciples". "
Mat / Mt 26.19 And the disciples did as Jesus had appointed them; and they made ready the passover. Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain' i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska. Nanao araka izay nasain' i Jeso nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka. Les disciples firent comme Jésus leur avait ordonné et préparèrent la Pâque.
...............
Mat / Mt 27.15 Now at that feast the governor was wont to release unto the people a prisoner, whom they would. Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon' ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an' ny vahoaka, araka izay tiany. Ary isaky ny fetin' ny Paka dia fanaon' ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray tian' ny vahoaka. A chaque Fête, le gouverneur avait coutume de relâcher à la foule un prisonnier, celui qu' elle voulait.

  The Gospel according to Mark Marka Marka L'Évangile selon Saint Marc
Mar / Mk 14.1 After two days was the feast of the passover, and of unleavened bread: and the chief priests and the scribes sought how they might take him by craft, and put him to death. Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan' ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an' i Jesosy tamin' ny fitaka ny lohan' ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy. Rahefa indroa andro sisa ny Paka sy ny Azima, dia nitady hisambotra am-pitaka an' i Jeso ny lohandohan' ny mpisorona sy ny mpanora-dalana mba hamonoany azy; La Pâque et les Azymes allaient avoir lieu dans deux jours, et les grands prêtres et les scribes cherchaient comment arrêter Jésus par ruse pour le tuer.
...............
Mar / Mk 14.12 And the first day of unleavened bread, when they killed the passover, his disciples said unto him, Where wilt thou that we go and prepare that thou mayest eat the passover? Ary tamin' ny voalohan' ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska? Ary tamin' ny andro voalohan' ny Azima izay famonoana ny Paka, dia nilaza tamin' i Jeso ny mpianany nanao hoe: Aiza no tianao halehanay hamboaranay ny hihinananao ny Paka? Le premier jour des Azymes, où l' on immolait la Pâque, ses disciples lui disent : " Où veux-tu que nous allions faire les préparatifs pour que tu manges la Pâque ? "
...............
Mar / Mk 14.14 And wheresoever he shall go in, say ye to the goodman of the house, The Master saith, Where is the guestchamber, where I shall eat the passover with my disciples? Ary lazao amin' ny tompon' ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain' ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin' ny mpianatro? Dia lazao amin' ny tompon' ny trano izay hidirany hoe: Izao no asain' ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin' ny mpianatro? et là où il entrera, dites au propriétaire : "Le Maître te fait dire : Où est ma salle, où je pourrai manger la Pâque avec mes disciples ?"
...............
Mar / Mk 14.16 And his disciples went forth, and came into the city, and found as he had said unto them: and they made ready the passover. Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy. Dia nandeha ny mpianany ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka. Les disciples partirent et vinrent à la ville, et ils trouvèrent comme il leur avait dit, et ils préparèrent la Pâque.
...............
Mar / Mk 15.6 Now at that feast he released unto them one prisoner, whomsoever they desired. Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay angatahin' ny vahoaka. Ary isaky ny fetin' ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin' ny vahoaka ; A chaque Fête, il leur relâchait un prisonnier, celui qu' ils demandaient.

  The Gospel according to Luke Lioka Lioka L'Évangile selon Saint Luc
...............
Lio / Lk 2.41 Now his parents went to Jerusalem every year at the feast of the passover. Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin' ny Paska. Ary isan-taona ny ray aman-dreniny dia nankany Jerosalema amin' ny andro fetin' ny Paka; Ses parents se rendaient chaque année à Jérusalem pour la fête de la Pâque.
Lio / Lk 22.1 Now the feast of unleavened bread drew nigh, which is called the Passover. Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska. Efa mby akaiky ny fetin' ny Azima atao hoe Paka, La fête des Azymes, appelée la Pâque, approchait.
...............
Lio / Lk 22.7 Then came the day of unleavened bread, when the passover must be killed. Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska. Dia tonga ny andron' ny Azima izay tsy maintsy hamonoana ny zanak' ondrin' ny Paka, Vint le jour des Azymes, où devait être immolée la pâque,
Lio / Lk 22.8 And he sent Peter and John, saying, Go and prepare us the passover, that we may eat. Ary Jesosy naniraka an' i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika. ka naniraka an' i Piera sy Joany Jeso nanao hoe: Mandehana manamboatra ny Paka hohanintsika. et il envoya Pierre et Jean en disant : " Allez nous préparer la pâque, que nous la mangions. "
...............
Lio / Lk 22.11 And ye shall say unto the goodman of the house, The Master saith unto thee, Where is the guestchamber, where I shall eat the passover with my disciples? Dia lazao amin' ny tompon-trano hoe: Izao no lazain' ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin' ny mpianatro? dia lazao amin' ny tompon-trano hoe: Izao no asain' ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efi-trano hihinanako ny Paka miaraka amin' ny mpianatro? et vous direz au propriétaire de la maison : "Le Maître te fait dire : Où est la salle où je pourrai manger la pâque avec mes disciples ?"
...............
Lio / Lk 22.13 And they went, and found as he had said unto them: and they made ready the passover. Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy. Dia nandeha izy ireo ka nahita araka izay nolazainy taminy, ary nanamboatra ny Paka. S' en étant donc allés, ils trouvèrent comme il leur avait dit, et ils préparèrent la pâque.
...............
Lio / Lk 22.15 And he said unto them, With desire I have desired to eat this passover with you before I suffer: Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. Ary hoy izy tamin' izy ireo: Naniry dia naniry hiara-mihinana ity Paka ity aminareo aho alohan' ny hijaliako, Et il leur dit : " J' ai ardemment désiré manger cette pâque avec vous avant de souffrir ;

  The Gospel according to John Jaona Joany L'Évangile selon Saint Jean
...............
Jao / Jo 2.13 And the Jews' passover was at hand, and Jesus went up to Jerusalem. Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy. Ary akaiky ny Pakan' ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema Jeso. La Pâque des Juifs était proche et Jésus monta à Jérusalem.
...............
Jao / Jo 2.23 Now when he was in Jerusalem at the passover, in the feast day, many believed in his name, when they saw the miracles which he did. Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin' ny Paska, dia tamin' ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony. Raha mbola tany Jerosalema izy tamin' ny fetin' ny Paka, dia maro no nino ny anarany, fa nahita ny fahagagana nataony; Comme il était à Jérusalem durant la fête de la Pâque, beaucoup crurent en son nom, à la vue des signes qu' il faisait.
...............
Jao / Jo 6.4 And the passover, a feast of the Jews, was nigh. Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan' ny Jiosy. Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin' ny Jody. Or la Pâque, la fête des Juifs, était proche.
...............
Jao / Jo 11.55 And the Jews' passover was nigh at hand: and many went out of the country up to Jerusalem before the passover, to purify themselves. Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan' ny Paska mba hanadio ny tenany. Efa akaiky ny Pakan' ny Jody tamin' izay ka maro ny olona avy tamin' izany tany izany no niakatra tany Jerosalema alohan' ny Paka, mba handio tena. Or la Pâque des Juifs était proche et beaucoup de gens montèrent de la campagne à Jérusalem, avant la Pâque, pour se purifier.
Jao / Jo 12.1 Then Jesus six days before the passover came to Bethany, where Lazarus was, which had been dead, whom he raised from the dead. Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran' i Lazarosy, ilay natsangany tamin' ny maty. Nony henemana sisa tsy hahatongavan' ny Paka, dia tonga tany Betania Jeso tany amin' izay nitoeran' i Lazara, ilay natsangan' i Jeso tamin' ny maty. Six jours avant la Pâque, Jésus vint à Béthanie, où était Lazare, que Jésus avait ressuscité d' entre les morts.
Jao / Jo 13.1 Now before the feast of the passover, when Jesus knew that his hour was come that he should depart out of this world unto the Father, having loved his own which were in the world, he loved them unto the end. Ary talohan' ny andro firavoravoana tamin' ny Paska, satria fantatr' i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin' izao tontolo izao ho any amin' ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin' izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin' ny farany. Talohan' ny fetin' ny Paka, fantatr' i Jeso fa tonga ny fotoana hialany amin' izao tontolo izao ho any amin' ny Ray, ka rahefa notiaviny tokoa ny azy izay amin' izao tontolo izao, dia fara fitiavana no nataony taminy. Avant la fête de la Pâque, Jésus, sachant que son heure était venue de passer de ce monde vers le Père, ayant aimé les siens qui étaient dans le monde, les aima jusqu'à la fin.
...............
Jao / Jo 18.28 Then led they Jesus from Caiaphas unto the hall of judgment: and it was early; and they themselves went not into the judgment hall, lest they should be defiled; but that they might eat the passover. Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin' i Kaiafa ho ao anatirova; ary maraina koa ny andro tamin' izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy. Dia nentiny niala tao amin' i Kaifa Jeso, ho any an-tranon' ny governora. Efa maraina ny andro tamin' izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voaloto ka tsy afa-mihinana ny Paka. Alors ils mènent Jésus de chez Caïphe au prétoire. C'était le matin. Eux-mêmes n' entrèrent pas dans le prétoire, pour ne pas se souiller, mais pour pouvoir manger la Pâque.
...............
Jao / Jo 18.39 But ye have a custom, that I should release unto you one at the passover: will ye therefore that I release unto you the King of the Jews? Fa misy fanaonareo amin' ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan' ny Jiosy? fa araky ny fanao amin' ny Paka dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho; koa tianareo ve ny handefasako ny mpanjakan' ny Jody? Mais c' est pour vous une coutume que je vous relâche quelqu' un à la Pâque. Voulez-vous que je vous relâche le roi des Juifs ? "
...............
Jao / Jo 19.14 And it was the preparation of the passover, and about the sixth hour: and he saith unto the Jews, Behold your King! ary andro fiomanana amin' ny Paska ny andro, tokony ho tamin' ny ora fahenina dia hoy izy tamin' ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo! Andro fiomanana amin' ny Paka tamin' izay, ary tokony ho tamin' ny ora fahenina; dia izao no nolazain' i Pilaty tamin' ny Jody: Indro ny Mpanjakanareo. Or c'était la Préparation de la Pâque ; c'était vers la sixième heure. Il dit aux Juifs : " Voici votre roi. "

  The Acts of the Apostles Asa Asa Les Actes des Apôtres
...............
Asa 12.4 And when he had apprehended him, he put him in prison, and delivered him to four quaternions of soldiers to keep him; intending after Easter to bring him forth to the people. Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin' ny miaramila enina ambin' ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin' ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska. Nony efa nosamborina izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka nasainy hambenan' andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy; fa rahefa afaka ny Paka vao kasainy hatolotra ny vahoaka izy. Il le fit saisir et jeter en prison, le donnant à garder à quatre escouades de quatre soldats ; il voulait le faire comparaître devant le peuple après la Pâque.

  1st Letter to the Corinthians 1 Korintianina Korintiana I 1ère Épître de Saint Paul aux Corinthiens
...............
1Kr / 1Kor 5.7 Purge out therefore the old leaven, that ye may be a new lump, as ye are unleavened. For even Christ our passover is sacrificed for us: Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao hianareo, sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo hianareo, satria efa voavono ny Kristy, izay Paka ho antsika. Purifiez-vous du vieux levain pour être une pâte nouvelle, puisque vous êtes des azymes. Car notre pâque, le Christ, a été immolée.

  Letter to the Hebrews Hebreo Hebrio Épître de Saint Paul aux Hébreux
...............
Heb 11.28 Through faith he kept the passover, and the sprinkling of blood, lest he that destroyed the firstborn should touch them. Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa. Ny finoana no nanaovany ny Paka sy ny famafazan-dra mba tsy ho tratr' ilay nandringana ny lahimatoa ny zanak' Israely. Par la foi, il célébra la Pâque et fit l' aspersion du sang, afin que l' Exterminateur ne touchât point les premiers-nés d' Israël.