<-
->

Apo / Ap 19:1 And after these things I heard a great voice of much people in heaven, saying, Alleluia; Salvation, and glory, and honour, and power, unto the Lord our God: Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon' ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an' Andriamanitsika; Rahefa izany, dia nisy hoatra ny feom-bahoaka betsaka tany an-danitra, reko nanao hoe: Aleloia! An' Andriamanitra ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery, Après quoi j' entendis comme un grand bruit de foule immense au ciel, qui clamait : " Alleluia ! Salut et gloire et puissance à notre Dieu,
Apo / Ap 19:2 For true and righteous are his judgments: for he hath judged the great whore, which did corrupt the earth with her fornication, and hath avenged the blood of his servants at her hand. Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; Fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy - Dia ilay nandoto ny tany tamin' ny fijangajangany - Ary namaly ary noho ny ran' ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany. fa marina sy mahitsy ny fitsarany, satria izy nanameloka ilay Vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin' ny fijangajangany, sy namely an' io noho ny ran' ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany. car ses jugements sont vrais et justes : il a jugé la Prostituée fameuse qui corrompait la terre par sa prostitution, et vengé sur elle le sang de ses serviteurs. "
Apo / Ap 19:3 And again they said, Alleluia And her smoke rose up for ever and ever. Dia niteny fanindroany ireo hoe: Halelola! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay. Dia naverin' izy ireo fanindroany indray ny hoe: Aleloia! Ary niakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny tanàna. Puis ils reprirent : " Alleluia ! Oui, sa fumée s'élève pour les siècles des siècles ! "
Apo / Ap 19:4 And the four and twenty elders and the four beasts fell down and worshipped God that sat on the throne, saying, Amen; Alleluia. Ary ny loholona efatra amby roa-polo sy ny zava-manan' aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin' Andriamanitra. Izay mipetraka eo ambonin' ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia! Tamin' izany ny Anti-dahy efatra amby roapolo sy ny Zava-manana aina efatra dia niankohoka nitsaoka an' Andriamanitra, nanao hoe: Amena! Aleloia! Alors, les vingt-quatre Vieillards et les quatre Vivants se prosternèrent pour adorer Dieu, qui siège sur le trône, en disant : " Amen, alleluia ! ".
Apo / Ap 19:5 And a voice came out of the throne, saying, Praise our God, all ye his servants, and ye that fear him, both small and great. Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin' ny seza fiandrianana ka nanao hoe: Miderà an' Andriamanitsika ianareo mpanompony rehetra, dia ianareo izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe. Dia nisy koa feo nivoaka avy ao amin' ny seza fiandrianana nanao hoe: Miderà an' Andriamanitra hianareo mpanompony rehetra, sy hianareo matahotra azy rehetra, na kely na lehibe. Puis une voix partit du trône : " Louez notre Dieu, vous tous qui le servez, et vous qui le craignez, les petits et les grands. "
Apo / Ap 19:6 And I heard as it were the voice of a great multitude, and as the voice of many waters, and as the voice of mighty thunderings, saying, Alleluia: for the Lord God omnipotent reigneth. Dia nahare feo tahaka ny an' ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon' ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka. Ary nisy hoatra ny feon' olona maro be, sy tahaka ny firohondrohon' ny ranobe, ary sahala amin' ny fikotrokotroky ny kotro-baratra mafy, reko nanao hoe: Aleloia! fa ny Tompo Andriamanitsika tsitoha no manjaka. Alors j' entendis comme le bruit d' une foule immense, comme le mugissement des grandes eaux, comme le grondement de violents tonnerres ; on clamait : " Alleluia ! Car il a pris possession de son règne, le Seigneur, le Dieu Maître-de-tout.
Apo / Ap 19:7 Let us be glad and rejoice, and give honour to him: for the marriage of the Lamb is come, and his wife hath made herself ready. Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin' ny Zanak' ondry. Ka efa niomana ny vadiny. Mifalia sy miravoravoa isika, ary manomeza voninahitra azy, fa tonga ny fampakaram-badin' ny Zanak' ondry, ary efa voahaingo ny Vadiny; Soyons dans l' allégresse et dans la joie, rendons gloire à Dieu, car voici les noces de l' Agneau, et son épouse s' est faite belle :
Apo / Ap 19:8 And to her was granted that she should be arrayed in fine linen, clean and white: for the fine linen is the righteousness of saints. Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon' ny olona masina. rongonim-bazaha madinika fotsy mamirapiratra no nomena hitafiany, dia ny asa soan' ny olo-masina izany. on lui a donné de se vêtir de lin d' une blancheur éclatante " - le lin, c' est en effet les bonnes actions des saints.
Apo / Ap 19:9 And he saith unto me, Write, Blessed are they which are called unto the marriage supper of the Lamb. And he saith unto me, These are the true sayings of God. Ary hoy koa izy tamiko Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin' ny fanasana fampakaram-badin' ny Zanak' ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin' Andriamanitra. Dia hoy ilay anjely tamiko: Soraty: Sambatra izay nasaina ho amin' ny fampakaram-badin' ny Zanak' ondry. Sady nampiany hoe: Tena tenin' Andriamanitra marina tokoa ireo teny ireo. Puis il me dit : " Écris : Heureux les gens invités au festin de noce de l' Agneau. Ces paroles de Dieu, ajouta-t-il, sont vraies. "
Apo / Ap 19:10 And I fell at his feet to worship him. And he said unto me, See thou do it not: I am thy fellowservant, and of thy brethren that have the testimony of Jesus: worship God: for the testimony of Jesus is the spirit of prophecy. Dia niankohoka teo amin' ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman' ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an' i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an' i Jesosy no fanahin' ny faminaniana. Dia nidaboka tamin' ny tongony aho, mba hiankohoka aminy, nefa hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho sy naman' ny rahalahinao izay manana ny fanambaran' i Jeso. Andriamanitra no iankohofy. Fa mifanaraka ny fanambaran' i Jeso sy ny fanahin' ny faminaniana. Alors je me prosternai à ses pieds pour l' adorer, mais lui me dit : " Non, attention, je suis un serviteur comme toi et comme tes frères qui possèdent le témoignage de Jésus. C' est Dieu que tu dois adorer. " Le témoignage de Jésus, c' est l' esprit de prophétie.
Apo / Ap 19:11 And I saw heaven opened, and behold a white horse; and he that sat upon him was called Faithful and True, and in righteousness he doth judge and make war. Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin' ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; i Mahatoky sy Marina no anaran' ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaran' ny iadiany; Alors je vis le ciel ouvert, et voici un cheval blanc ; celui qui le monte s' appelle " Fidèle " et " Vrai ", il juge et fait la guerre avec justice.
Apo / Ap 19:12 His eyes were as a flame of fire, and on his head were many crowns; and he had a name written, that no man knew, but he himself. Ary ny masony dia lelafo, ary tamin' ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany. tahaka ny lelafo ny masony, ary satro-boninahitra maro no teny an-dohany; nisy anarana voasoratra teny aminy, izay tsy nisy nahalala afa-tsy izy irery; Ses yeux ? une flamme ardente ; sur sa tête, plusieurs diadèmes ; inscrit sur lui, un nom qu' il est seul à connaître ;
Apo / Ap 19:13 And he was clothed with a vesture dipped in blood: and his name is called The Word of God. Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin' Andriamanitra. akanjo nipentina rà no niakanjoany, ary Ny Tenin' Andriamanitra no anarany; le manteau qui l' enveloppe est trempé de sang ; et son nom ? le Verbe de Dieu.
Apo / Ap 19:14 And the armies which were in heaven followed him upon white horses, clothed in fine linen, white and clean. Ary ny antokon' ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. nanaraka azy ny tafiky ny lanitra, soavaly fotsy no nitaingenan' ireo ary rongonim-bazaha fotsy madio no nitafiny; Les armées du ciel le suivaient sur des chevaux blancs, vêtues de lin d' une blancheur parfaite.
Apo / Ap 19:15 And out of his mouth goeth a sharp sword, that with it he should smite the nations: and he shall rule them with a rod of iron: and he treadeth the winepress of the fierceness and wrath of Almighty God. Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin' ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin' ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain' ny firehetan' ny fahatezeran' Andriamanitra Tsitoha. nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin' ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain' ny fahatezeran' Andriamanitra tsitoha; De sa bouche sort une épée acérée pour en frapper les païens ; c' est lui qui les mènera avec un sceptre de fer ; c' est lui qui foule dans la cuve le vin de l' ardente colère de Dieu, le Maître-de-tout.
Apo / Ap 19:16 And he hath on his vesture and on his thigh a name written, King of kings, and Lord of lords. Ary manana anarana voasoratra amin' ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo. izao no anarany voasoratra tamin' ny lambany sy ny feny: Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo. Un nom est inscrit sur son manteau et sur sa cuisse : Roi des rois et Seigneur des seigneurs.
Apo / Ap 19:17 And I saw an angel standing in the sun; and he cried with a loud voice, saying to all the fowls that fly in the midst of heaven, Come and gather yourselves together unto the supper of the great God; Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin' ny masoandro, ary niantso tamin' ny feo mahery izy ka nanao tamin' ny voro-manidina rehetra teo afovoan' ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin' ny fanasana lehiben' Andriamanitra, Ary indro hitako nisy anjely anankiray nitsangana teo amin' ny masoandro, niantso ny voro-manidina rehetra teo amin' ny habakabaky ny lanitra, ka nanao tamin' ny feo mahery hoe: Avia, mivoria hianareo ho amin' ny fihinanam-ben' Andriamanitra, Puis je vis un Ange, debout sur le soleil, crier d' une voix puissante à tous les oiseaux qui volent au zénith : " Venez, ralliez le grand festin de Dieu !
Apo / Ap 19:18 That ye may eat the flesh of kings, and the flesh of captains, and the flesh of mighty men, and the flesh of horses, and of them that sit on them, and the flesh of all men, both free and bond, both small and great. mba hihinananareo ny nofon' ny mpanjaka sy ny nofon' ny mpifehy arivo sy ny nofon' ny mahery sy ny nofon' ny soavaly mbamin' izay mitaingina azy ary ny nofon' ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe. mba hihinana ny nofon' ny mpanjaka, ny nofon' ny tompon' arivo, ny nofon' ny olo-mahery, ny nofon' ny soavaly mbamin' ny mpitaingina azy, sy ny nofon' ny olona rehetra, na andevo na olom-potsy, na kely na lehibe. Vous y avalerez chairs de rois, et chairs de grands capitaines, et chairs de héros, et chairs de chevaux avec leur cavaliers, et chairs de toutes gens, libres et esclaves, petits et grands ! "
Apo / Ap 19:19 And I saw the beast, and the kings of the earth, and their armies, gathered together to make war against him that sat on the horse, and against his army. Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan' ny tany mbamin' ny miaramilany tafangona mba hiady amin' ilay mitaingina ny soavaly sy amin' ny miaramilany. Dia hitako fa nivory ny Biby sy ny mpanjakan' ny tany mbamin' ny tafiny, mba hiady amin' ilay nitaingina ny soavaly sy amin' ny tafiny. Je vis alors la Bête, avec les rois de la terre et leurs armées rassemblés pour engager le combat contre le Cavalier et son armée.
Apo / Ap 19:20 And the beast was taken, and with him the false prophet that wrought miracles before him, with which he deceived them that had received the mark of the beast, and them that worshipped his image. These both were cast alive into a lake of fire burning with brimstone. Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin' ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan' ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin' ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin' ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin' ny farihy mirehitra afon-tsolifara; Mais la Bête fut capturée, avec le faux prophète - celui qui accomplit au service de la Bête des prodiges par lesquels il fourvoyait les gens ayant reçu la marque de la Bête et les adorateurs de son image, - on les jeta tous deux, vivants, dans l'étang de feu, de soufre embrasé.
Apo / Ap 19:21 And the remnant were slain with the sword of him that sat upon the horse, which sword proceeded out of his mouth: and all the fowls were filled with their flesh. Ary ny olona sisa dia matin' ny sabatra mivoaka avy amin' ny vavan' ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony. ary ny olona sisa dia matin' ny sabatra nivoaka avy ao am-bavan' ilay nitaingina ny soavaly, ka vokin' ny nofony ny vorona rehetra. Tout le reste fut exterminé par l'épée du Cavalier, qui sort de sa bouche, et tous les oiseaux se repurent de leurs chairs.

<-
->