<-
->

Apo / Ap 13:1 And I stood upon the sand of the sea, and saw a beast rise up out of the sea, having seven heads and ten horns, and upon his horns ten crowns, and upon his heads the name of blasphemy. Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin' ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin' ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin' ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy. Rahefa izany, dia nahita Biby anankiray niakatra avy amin' ny ranomasina aho; fito ny lohany, folo ny tandrony, satro-boninahitra folo no teny an-tandrony, ary anarana fanevatevana an' Andriamanitra no tamin' ny lohany. Alors je vis surgir de la mer une Bête ayant sept têtes et dix cornes, sur ses cornes dix diadèmes, et sur ses têtes des titres blasphématoires.
Apo / Ap 13:2 And the beast which I saw was like unto a leopard, and his feet were as the feet of a bear, and his mouth as the mouth of a lion: and the dragon gave him his power, and his seat, and great authority. Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an' ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan' ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe. Sahala amin' ny leoparda ilay Biby hitako; toy ny tongotr' orsa ny tongony, tahaka ny vavan-diona ny vavany. Nomen' ilay Dragona azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe. La Bête que je vis ressemblait à une panthère, avec les pattes comme celles d' un ours et la gueule comme une gueule de lion ; et le Dragon lui transmit sa puissance et son trône et un pouvoir immense.
Apo / Ap 13:3 And I saw one of his heads as it were wounded to death; and his deadly wound was healed: and all the world wondered after the beast. Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia. Toa voan' ny ratra mahafaty ny lohany iray, nefa sitrana ihany ilay fery saika nahafaty azy, ary gaga ny tany rehetra, ka sady nanaraka azy L' une de ses têtes paraissait blessée à mort, mais sa plaie mortelle fut guérie ; alors émerveillée, la terre entière suivit la Bête.
Apo / Ap 13:4 And they worshipped the dragon which gave power unto the beast: and they worshipped the beast, saying, Who is like unto the beast? who is able to make war with him? Ary dia niankohoka teo anoloan' ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an' ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan' ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy? no nitsaoka ny Dragona izay nanome fahefana ny Biby, sy nitsaoka ny Biby koa, nanao hoe: Iza moa no tahaka ny Biby, ary iza no mahady aminy? On se prosterna devant le Dragon, parce qu' il avait remis le pouvoir à la Bête ; et l' on se prosterna devant la Bête en disant : " Qui égale la Bête, et qui peut lutter contre elle ? "
Apo / Ap 13:5 And there was given unto him a mouth speaking great things and blasphemies; and power was given unto him to continue forty and two months. Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana. Ary nomena vava mitsaontsaona sy manevateva an' Andriamanitra izy, sady nomena fahefana hanaram-po roa amby efa-polo volana. On lui donna de proférer des paroles d' orgueil et de blasphème ; on lui donna pouvoir d' agir durant quarante-deux mois ;
Apo / Ap 13:6 And he opened his mouth in blasphemy against God, to blaspheme his name, and his tabernacle, and them that dwell in heaven. Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an' Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra. Dia nanokatra ny vavany izy, ka nanevateva an' Andriamanitra sy nanevateva ny anarany mbamin' ny tranolainy, sy ireo monina any an-danitra. alors elle se mit à proférer des blasphèmes contre Dieu, à blasphémer son nom et sa demeure, ceux qui demeurent au ciel.
Apo / Ap 13:7 And it was given unto him to make war with the saints, and to overcome them: and power was given him over all kindreds, and tongues, and nations. Ary navela hiady tamin' ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin' ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry. Nomena fahefana hiady amin' ny olo-masina sy handresy ireo koa izy; ary nomena fahefana tamin' ny foko rehetra, sy ny fanjakana mbamin' ny samihafa fiteny sy ny firenena rehetra. On lui donna de mener campagne contre les saints et de les vaincre ; on lui donna pouvoir sur toute race, peuple, langue ou nation.
Apo / Ap 13:8 And all that dwell upon the earth shall worship him, whose names are not written in the book of life of the Lamb slain from the foundation of the world. Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin' ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin' ny bokin' ny fiainan' ny Zanak' ondry, izay voavono hatramin' ny nanorenana izao tontolo izao. Dia hitsaoka azy ny mponina eto an-tany rehetra, izay tsy mba voasoratra anarana teo amin' ny bokin' ny fiainan' ny Zanak' ondry, ilay voavono hatramin' ny nanorenana izao tontolo izao. Et ils l' adoreront, tous les habitants de la terre dont le nom ne se trouve pas écrit, dès l' origine du monde, dans le livre de vie de l' Agneau égorgé.
Apo / Ap 13:9 If any man have an ear, let him hear. Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino. Izay manan-tsofina aoka hihaino. Celui qui a des oreilles, qu' il entende !
Apo / Ap 13:10 He that leadeth into captivity shall go into captivity: he that killeth with the sword must be killed with the sword. Here is the patience and the faith of the saints. Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin' ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin' ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan' ny olona masina. Izay tokony ho amin' ny fahababoana, dia mankany amin' ny fahababoana; izay mamono amin' ny sabatra tsy maintsy hovonoina amin' ny sabatra. Toy izany no fandeferana sy finoan' ny olo-masina. Les chaînes pour qui doit être enchaîné ; la mort par le glaive pour qui doit périr par le glaive ! Voilà qui fonde l' endurance et la confiance des saints.
Apo / Ap 13:11 And I beheld another beast coming up out of the earth; and he had two horns like a lamb, and he spake as a dragon. Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin' ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an' ny zanak' ondry izy sady niteny tahaka ny dragona. Dia nahita Biby anankiray hafa koa aho, niakatra avy amin' ny tany; roa toy ny an' ny zanak' ondry ny tandrony, ary niteny toy ny dragona izy. Je vis ensuite surgir de la terre une autre Bête ; elle avait deux cornes comme un agneau, mais parlait comme un dragon.
Apo / Ap 13:12 And he exerciseth all the power of the first beast before him, and causeth the earth and them which dwell therein to worship the first beast, whose deadly wound was healed. Ary ny fahefana rehetra nananan' ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin' izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan' ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin' ilay feriny saiky nahafaty azy. Nampiasainy avokoa ny fahefan' ilay Biby voalohany eo anatrehany, ary nampivavahiny tamin' ilay Biby voalohany, sitrana tamin' ny fery saiky nahafaty azy, ny tany mbamin ízay monina ao aminy. Au service de la première Bête, elle en établit partout le pouvoir, amenant la terre et ses habitants à adorer cette première Bête dont la plaie mortelle fut guérie.
Apo / Ap 13:13 And he doeth great wonders, so that he maketh fire come down from heaven on the earth in the sight of men, Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin' ny tany eo imason' ny olona aza. Nanao fahagagana lehibe teo imason' ny olona izy hatramin' ny nampidinana afo avy any an-danitra ho ety an-tany aza; Elle accomplit des prodiges étonnants : jusqu'à faire descendre, aux yeux de tous, le feu du ciel sur la terre ;
Apo / Ap 13:14 And deceiveth them that dwell on the earth by the means of those miracles which he had power to do in the sight of the beast; saying to them that dwell on the earth, that they should make an image to the beast, which had the wound by a sword, and did live. Ary mamitaka izay monina ambonin' ny tany izy amin' ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason' ny bibi-dia, sady milaza amin' izay monina ambonin' ny tany koa mba hanao sary ho an' ny bibi-dia, izay voan' ny sabatra, nefa velona ihany. ary namitaka ny mponina amin' ny tany tamin' ny fahagagana nomena hataony teo anatrehan' ny Biby, nasainy nanao sarin' ilay Biby naratry ny sabatra nefa velona ihany ny mponina eto an-tany; et, par les prodiges qu' il lui a été donné d' accomplir au service de la Bête, elle fourvoie les habitants de la terre, leur disant de dresser une image en l' honneur de cette Bête qui, frappée du glaive, a repris vie.
Apo / Ap 13:15 And he had power to give life unto the image of the beast, that the image of the beast should both speak, and cause that as many as would not worship the image of the beast should be killed. Ary navela hanisy aina ny sarin' ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin' ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan' ny sarin' ny bibi-dia. sady navela hanisy aina ny sarin' ny Biby izy, sy hampiteny azy, ary hampamono izay rehetra tsy mivavaka amin' ny sarin' ny Biby. On lui donna même d' animer l' image de la Bête pour la faire parler, et de faire en sorte que fussent mis à mort tous ceux qui n' adoreraient pas l' image de la Bête.
Apo / Ap 13:16 And he causeth all, both small and great, rich and poor, free and bond, to receive a mark in their right hand, or in their foreheads: Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin' ny tànany ankavanana na eo amin' ny handriny avokoa, Ny olona rehetra, na kely na lehibe, na mpanan-karena na mahantra, na olom-potsy na andevo, dia nasainy nasiana marika tamin' ny tànany an-kavanana na tamin' ny handriny avokoa; Par ses manoeuvres, tous, petits et grands, riches ou pauvres, libres et esclaves, se feront marquer sur la main droite ou sur le front,
Apo / Ap 13:17 And that no man might buy or sell, save he that had the mark, or the name of the beast, or the number of his name. mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran' ny bibi-dia, na ny isan' ny anarany. mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra afa-tsy izay voaisy mariky ny anaran' ny Biby, na ny isan' ny anarany. et nul ne pourra rien acheter ni vendre s' il n' est marqué au nom de la Bête ou au chiffre de son nom.
Apo / Ap 13:18 Here is wisdom. Let him that hath understanding count the number of the beast: for it is the number of a man; and his number is Six hundred threescore and six. Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan' ny bibi-dia, fa fanisan' olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany. Eto no ilàna fahendrena! Ka aoka izay manan-tsaina hamantatra ny isan' ny Biby, fa isa milaza olona izany, ary enina amby enim-polo sy enin-jato izany isa izany. C' est ici qu' il faut de la finesse ! Que l' homme doué d' esprit calcule le chiffre de la Bête, c' est un chiffre d' homme : son chiffre, c' est 666

<-
->