<-
->

Ton 8:1 O that thou wert as my brother, that sucked the breasts of my mother! when I should find thee without, I would kiss thee; yea, I should not be despised. Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko, izay ninono an' ineny, ianao! Dia ho nahita anao teny ala-trano aho ka ho nanoroka anao. Eny tsy ho azon' olona notevatevaina aho. Endrey naninona re no tsy anadahiko hianao, nitsentsitra ny nonon' ineny? fa raha tojo anao eny ivelany eny aho, dia hanoroka anao, nefa tsy hahazo fanesoana amin' izany. Ah que ne m' es-tu un frère, allaité au sein de ma mère! Te rencontrant dehors, je pourrais t' embrasser, sans que les gens me méprisent.
Ton 8:2 I would lead thee, and bring thee into my mother' s house, who would instruct me: I would cause thee to drink of spiced wine of the juice of my pomegranate. Dia ho entiko ka hampidiriko ho ao an-tranon' ineny ianao, ary hampianarinao aho; Hampisotroiko divay noharoharoan-java-manitra mbamin' ny ranon' ampongaben-danitro ianao. Hitondra anao hiditra ao an-tranon' i neny aho, dia hampianatra ahy hianao: ary hampisotro anao divay voaharo zava-manitra, dia ny ranon' ny apongabendanitra. Je te conduirais, je t' introduirais dans la maison de ma mère, tu m' enseignerais! Je te ferais boire un vin parfumé, ma liqueur de grenades.
Ton 8:3 His left hand should be under my head, and his right hand should embrace me. Aoka hanondana ahy ny tànany ankavia, ary aoka hanohona ahy ny tànany ankavanana. Ny tanany ankavia manondana ahy, ary ny ankavanany manohona ahy. Son bras gauche est sous ma tête, et sa droite m'étreint.
Ton 8:4 I charge you, O daughters of Jerusalem, that ye stir not up, nor awake my love, until he please. Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin' i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony. Miangavy anareo aho, ry zanakavavin' i Jerosalema, aza fohazinareo ny malalako, raha tsy efa sitrapony. Je vous en conjure, filles de Jérusalem, n'éveillez pas, ne réveillez pas mon amour, avant l' heure de son bon plaisir.
Ton 8:5 Who is this that cometh up from the wilderness, leaning upon her beloved? I raised thee up under the apple tree: there thy mother brought thee forth: there she brought thee forth that bare thee. Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin' ny malalany? Teo ambanin' iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian' ilay niteraka anao. Ny antokom-pihira iza ity vehivavy, miakatra avy any an' efitra, mitehina amin' ny malalany? Ny mpampakatra - Teo ambanin' ny hazo paoma no namohazako anao, teo no torontorona anao reninao. Teo izy no torontorona anao, tao izy no nampahita masoandro anao. Qui est celle-ci qui monte du désert, appuyée sur son bien-aimé ? Sous le pommier je t' ai réveillée, là même où ta mère te conçut, là où conçut celle qui t' a enfantée.
Ton 8:6 Set me as a seal upon thine heart, as a seal upon thine arm: for love is strong as death; jealousy is cruel as the grave: the coals thereof are coals of fire, which hath a most vehement flame. Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon' i Jehovah. Ataovy vita tombo-kase eo ambonin' ny fonao aho, sy vita tombo-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny seoly ny fahasarota-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon' ny Tompo. Pose-moi comme un sceau sur ton coeur, comme un sceau sur ton bras. Car l' amour est fort comme la Mort, la passion inflexible comme le Shéol. Ses traits sont des traits de feu, une flamme de Yahvé.
Ton 8:7 Many waters cannot quench love, neither can the floods drown it: if a man would give all the substance of his house for love, it would utterly be contemned. Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon' ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy. Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana, ny ony koa tsy mahasafotra azy. Raha misy olona hividy fitiavana na amin' ny fananana rehetra ao an-tranony aza dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana. Les grandes eaux ne pourront éteindre l' amour, ni les fleuves le submerger. Qui offrirait toutes les richesses de sa maison pour acheter l' amour, ne recueillerait que mépris. .
Ton 8:8 We have a little sister, and she hath no breasts: what shall we do for our sister in the day when she shall be spoken for? Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay; Ahoana no hataonay amin' ny zandrivavinay, raha mby amin' izay andro hangatahan' olona azy ho vady? Ny antokom-pihira manan-jandrivavy kely tsy mbola misy nono izahay; ka hataonay ahoana re ity zandrivavinay, raha avy izay andro angatahan' ny olona azy? Notre soeur est petite : elle n' a pas encore les seins formés. Que ferons-nous à notre soeur, le jour où il sera question d' elle ? -
Ton 8:9 If she be a wall, we will build upon her a palace of silver: and if she be a door, we will inclose her with boards of cedar. Raha manda izy, dia hanangananay tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay hazo fisaka sedera. Raha manda izy, dia asianay lohamanda volafotsy; raha varavarana izy, dia hotampenanay hazo fisaka sedera. Si elle est un rempart, nous élèverons au faîte un couronnement d' argent; si elle est une porte, nous dresserons contre elle des dais de cèdre. -
Ton 8:10 I am a wall, and my breasts like towers: then was I in his eyes as one that found favour. Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho. Ny ampakarina manda aho, ary toy ny tilikambo ny nonoko; ka dia toy ny efa nahita fihavanana aho eo imasony. Je suis un mur, et mes seins en figurent les tours. Aussi ai-je à leurs yeux trouvé la paix.
Ton 8:11 Solomon had a vineyard at Baalhamon; he let out the vineyard unto keepers; every one for the fruit thereof was to bring a thousand pieces of silver. Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin' olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon' ny vokatra. Ny antokom-pihira nanan-tanimboaloboka tao Baala Hamona Salomona, napetrany tamin' ny mpiandry voly ny tanimboaloboka. Ary ny solom-bokatra aloha ho azy, dia arivo sikla isan' olona. Salomon avait une vigne à Baal-Hamôn. Il la confia à des gardiens, et chacun devait lui remettre le prix de son fruit : mille sicles d' argent.
Ton 8:12 My vineyard, which is mine, is before me: thou, O Solomon, must have a thousand, and those that keep the fruit thereof two hundred. Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an' ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia anao, ry Solomona, ary ny roan-jato ho an' izay mpiandry voly. Ny ampakarina ny tanimboaloboka izay ahy kosa, dia anaranako fo: ny arivo sikla no anao anie, ry Salomona, ary ny roan-jato kosa, an' ny mpiandry ny voany. Ma vigne à moi, je l' ai sous mes yeux : à toi Salomon les mille sicles, et deux cents aux gardiens de son fruit.
Ton 8:13 Thou that dwellest in the gardens, the companions hearken to thy voice: cause me to hear it. Ry mitoetra eny an-tsaha! Te-hihaino ny feonao ireo namako; Mba ampandreneso izany koa aho. Ny mpampakatra Eh, hianao izay mitoetra eny amin' ny zaridaina, manongilana sofina hihaino ny feonao ny namana: mba ampandreneso izany aho! Toi qui habites les jardins, mes compagnons prêtent l' oreille à ta voix : daigne me la faire entendre!
Ton 8:14 Make haste, my beloved, and be thou like to a roe or to a young hart upon the mountains of spices. Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra. Ny ampakarina Mihazakazaha, ry malalako, manafaha ny gazela na ny zana-tserfavavy, eny an-tendrombohitry ny hazo mitete dity manitra! Fuis, mon bien-aimé. Sois semblable à une gazelle, à un jeune faon, sur les montagnes embaumées!

<-
->