|
|
|
|

Entry 1  mihalohalo
Root  2 halohalo
Part of speech  3  active verb
Morphology 
4  Present :
5  Past :
6  Future :
7  Imperative :
Explanations in Malagasy  8 Mihantona, mihebibehy eo ambony loha: Toa mahita zavatra mihalohalo eo ambony lohany foana, hono, izy
9 Miahanahana, tsy mandroso tsy mihemotra: Aza mihalohalo eo an-tokonana eo ianao fa midira raha hiditra
10 Misalasala: Mbola mihalohalo ihany ve ianao na hiara-kitsangantsangana aminay na hiarakandihy amin-dry Sahondra
11 Mijanona anelanelany, tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa: Nihalohalo tamin' ny adin' ny Frantsay sy ny Alemanina i Soisa [1.1]
Explanations in English  12 to move, to be suspended, to look at from a distance, to be insufficient to fill a space; to be at liberty, to go about here and there. [1.2]
Examples  13  Teo amin' ny fangirifiriako tamin' ny namoizana an' i Dada malala no nihalohalo an' ny tandindony tao amin' ny lalako. [2.471#21]
14  Mbola tsy maty akory ny masoandro sy asabotsy hariva, dia efa nisy olona nisodisody sy nihalohalo teny akaikikaikin' ny tranony teny. [2.472#119]
Analogs  15  Miahanahana, 16  miherohero, 17  miroahana
Proverbs  18  Proverbs containing that word

Anagrams  mihalohalo, 19 milohalohà, milohaloha

Updated on 2026/08/15