|
|
|
|

Entry (1/2) 1  indro
Part of speech  2  adverb [Full list]
Explanations in Malagasy  3 Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao [1.1]
Explanations in English  4 behold! Lo! Here! This is it! See indry. [1.2]
5 behold! look! there he (she, it) is! [1.7]
Explanations in French  6 voici, voilà [1.3#280]
7 le (la) voilà [1.8]
Examples  8  indro ny volanao. [2.4#77]
9  indro avereno izy! [2.298#129]
Combinations  10  1 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word indro

Entry (2/2) 11  Indro
Elementary words  12 indro
Part of speech  13  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  14  Literature: poems
Author  15 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text  16 
17  Indro ny Zanakavavin’ny Alina
18  Hiroboka anatin’ny Lanitra lalina…
19  ‘Ndeha handro izy iny…

20  Ny volony lava toa setroka oly,
21  Ny maso baliakany toa hanangoly…
22  Mandrendri-bahiny!…

23  Mba mahina angaha sao misy mahita
24  Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita
25  dia indro tokoa…

26  Ingahy masoandro misalotra mena
27  malaina handao an’ity fijerena
28  An-dRavolana soa!…

29  Dia indro fa nihaona ny masony roa
30  Ka menatra indrindra Ravolana soa
31  Noraisiny haingana

32  ‘lay rahona kely mba sendra nandalo
33  ho enti-manafy an’ity tena mimalo
34  tsy ho hita mivaingana…

35  Nandrasany teo ny hiangan’i Mazava…
36  Vao ‘zay izy sahy nampiseho ny tava!
37  …Dia tena nitranga!

38  Nisosa malako, nandeha nilomano
39  namaky ny ony ‘zay manganohano:
40  Ny lanitra manga!

Anagrams  indro, Indro, 41 ondry

Updated on 2026/10/18