| Entry (1/2) | 1 indro |
| Part of speech | 2 adverb [Full list] |
| Explanations in Malagasy |
3 Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao
[1.1] |
| Explanations in English |
4 behold! Lo! Here! This is it! See indry.
[1.2] 5 behold! look! there he (she, it) is! [1.7] |
| Explanations in French |
6 voici, voilà
[1.3#280] 7 le (la) voilà [1.8] |
| Examples |
8 indro ny volanao.
[2.4#77]
9 indro avereno izy! [2.298#129] |
| Combinations | 10 1 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word indro |
| Entry (2/2) | 11 Indro |
| Elementary words | 12 indro |
| Part of speech | 13 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 14 Literature: poems |
| Author |
15 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Full text |
16 17 Indro ny Zanakavavin’ny Alina 18 Hiroboka anatin’ny Lanitra lalina… 19 ‘Ndeha handro izy iny… 20 Ny volony lava toa setroka oly, 21 Ny maso baliakany toa hanangoly… 22 Mandrendri-bahiny!… 23 Mba mahina angaha sao misy mahita 24 Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita 25 dia indro tokoa… 26 Ingahy masoandro misalotra mena 27 malaina handao an’ity fijerena 28 An-dRavolana soa!… 29 Dia indro fa nihaona ny masony roa 30 Ka menatra indrindra Ravolana soa 31 Noraisiny haingana 32 ‘lay rahona kely mba sendra nandalo 33 ho enti-manafy an’ity tena mimalo 34 tsy ho hita mivaingana… 35 Nandrasany teo ny hiangan’i Mazava… 36 Vao ‘zay izy sahy nampiseho ny tava! 37 …Dia tena nitranga! 38 Nisosa malako, nandeha nilomano 39 namaky ny ony ‘zay manganohano: 40 Ny lanitra manga! |
| Anagrams | indro, Indro, 41 ondry |
| Updated on 2026/10/18 |
|