| 1 |  Midona ny oran' Ankaratra,  Vaky tsipelana ny eny Anjafy.  Maitso manombana ny eny Andringitra,  Manjombonjombona Ambohimanoa; |  35 |  Sy ny mandevina olo-malala (...)  Irony vero erý ambony fasana  Milenodenoka mora malazo.  Matsoraka mora mipika;  Rehefa midaboka dia mora lo. |  
  | 5 |  Maizimaizina toa malahelo  Irony rahona eny an-tampon' Imanga;  Manjombonjombona ny zava-boahary  Ka tsaroana ireo havan-dasa;  Fa isika olombelona |  40 |  Toy izany isika olombelona  Fa izany no fomban' ny tany.  Irony hazo erý an-tsisim-pasana  Ny tahony, tahon-tsaramanga.  Ny raviny soa pelapelaka. |  
  | 10 |  Tsy fo vato fa embona,  Ka manembona ireo efa lasa:  Tsy mihinana voamanadino,  Fa misotro voamahatsiahy,  Ka velon-tsento mazàna, |  45 |  Ny voany voamahatsiahy.  Koa tsarovy izay efa voalaza ;  Mamoiza izay manana ny maty.  Fa ity tany ity famoiza-malala:  Ny maty tsy mba miverina, |  
  | 15 |  Fa mahatsiahy ireo efa nafoy.  Mipatrapatraka ny oram-baventy  Ka mipotrapotraka ny ranomaso,  Fa ny don' oran' Ankaratra.  Toa fingadon' Ikaky sy Ineny; |  50 |  Na miverina aza tadio  Ary na hita aza dia nofy!  Koa mahaiza manonon-tena.  Ataovy tahaka ny hanin' omby  Ka sady minià no miraoka. |  
  | 20 |  Ny kotrok' oran' Ankaratra,  Toa feon' ireo efa nafoy  Ka manaitra ny fo malahelo,  Izay nisaraka tamin-dranomaso.  Ny tadio mitambolina raha lohataona |  55 |  Namoy havan-tiana ve tsy hitomany!  Fa toy ny rahona ny ranomaso,  Ka rehefa mavesatra izy mirotsaka:  Kanefa andalano ny ranomaso.  Toy ny hahazan-kitay ny alahelo |  
   | 25 |  No fiverin' ny ambiroan' ny maty;  Fa ny kotroka mingodona ren' ny lavitra  No fitsidiny raha fahavaratra (...)  Inona no zava-mangidy?  Ka ny laingolaingom-paraky: |  60 |  Ka ahaverezana isaka ny mandanona:  Toy ny vary an-tsompitra  Ka ahafahana tsikelikely isan' andro.  Fa raha izany no mitotohitra.  Tsy mahavanon-ko olona no farany. |  
   | 30 |  Ary inona no zava-mafaitra?  Ka ny laingolaingon' amberivatry.  Kanefa tsy ny laingolaingom-paraky no mangidy.  Ary tsy ny laingolaingon' amberivatry no mafaitra,  Fa ny mamoy havan-tiana |  65 |  Fa maharatsy ny fahoriana.  Koa sikino ny saina, onony ny alahelo  Fa ny ranomaso tsy mahatana aina,  Ny singambolo tsy mahafehy faty,  Ny vola tsy mahavidy aina (...) |