Entry vao
Part of speech   adjective
Malagasy definition   Tsy mbola simba: Mofo vao vidina fa efa leon' ny mofo mialina andro aho
¶ Niseho tsy ela izay: Fery vao
¶ Tsy tranainy, tsy ton-ta: Nosoloana dabilio vao daholo ny dabilio tao am-piangonana. Ny mpamaritra matoanteny "Vao" dia manan-kevitra samy hafa araka ny matoanteny miaraka aminy, na milaza ny ankehitriny, na ny lasa, na ny ho avy: 1) Mbola eo...: Vao misakafo izahay. 2) Avy... tsy ela akory: Vao nisakafo izahay. 3) Efa akaiky ny: Vao hisakafo izahay
¶ Raha vantany avy...: Vao nahare poa-basy izy dia nandositra [Rajemisa 1985]
Derivations  
Compound words, titles, names  
Toponymy   Place names having the word vao (4): Ambalavao, Ambalavaokely, Tanambao, Vinanivao

Entry vao
Part of speech   noun
Malagasy definition   anaran-kazandrano [Antesaka] [Rakotosaona 1972]
Vocabulary  

Updated on 2011/05/30