| Entry | 1 tsikeraina |
| Root | 2 tsikera |
| Part of speech | 3 passive verb |
| Explanations in Malagasy |
4 Atao izay hahatonga ny zavatra iray hisaratsaraka, tsy hifintina na hifitsaka: Tsikerao ireo mololo ireo hizahana izay peratrao very izay.
5 (hevitra) Savasavaina amin' ny lafiny rehetra: Notsikerainy ny hevitr' ilay ohabolana hoe: Vivỳ nanitrika ka bongo mason' ny nahiny. 6 Tanisanisaina ny kileman' olona iray: Notsikerain-dRasoa tamin' ny manodidina ny toetran' ny vadiny. [1.1] |
| Explanations in French |
7 qu'on critique.
[1.5] |
| Examples |
8 Azo tsikeraina ambony ihany ve izany?
[2.298#147]
9 Koa ny teny sy ny hevitra fonosiny ihany sisa no tena azo tsikeraina eto. [2.606#93] |
| Morphology |
|
| Anagrams | 14 itsikerana, 15 tsikeraina |
| Updated on 2025/09/12 |
|