Entry traikefa
Part of speech noun
Malagasy definition fahaizana amam-pahalalana ananan' ny olona iray ary efa vita sedra sy nahazoam-pahombiazana maro tamin' izay nampiharana azy ka mendrika hitanana sy ampiasaina hatrany: Noho ny traikefa ananany no nihazonan' io Lehiben' ny orinasa io izy [Akademia 2005]
Morphology 
traikefa
traikefako
traikefanao
traikefany
traikefantsika
traikefanay
traikefanareo
traikefan'
traikefan-
traikefam-
Examples 
1Tsy traikefa no noresahiko fa ambaratonga eo amin' ny asa. [Wresinski: Mahantra]
2Manana fahatsiarovana milevina anefa isika, manana traikefa hita miharihary. [Wresinski: Mahantra]
3Ny fahalalana anefa tsy tongatonga ho azy amin'izao ao an-dohan'ny olona iray, fa avy amin'ny fampiharana na traikefa eo amin'ny fiainam-piarahamonina pratique sociale, hoy i Mao Tse Toung. [Razafiarivony: Harivolana]

2019/12/02