| Entry | 1 tongobolo |
| Elementary words | 2 tongotra, 3 volo |
| Part of speech | 4 noun |
| Explanations in Malagasy |
5 Fitoeram-paraky (avy amin' ny teny hoe: tongotra sy volo satria tamin' ny tongotra na vodin' ny volo -- karazana volotsangana -- no nanaovana azy taloha). [1.1] |
| Explanations in English |
6 a snuffbox, a tobacco-pouch [1.7] |
| Explanations in French |
7 blague à tabac [1.8] |
| Examples |
8 Hitako ny hevitra, ondry roa no novidiko sy reniakoho telo, ary ny vakim-bola sisa nitondrako siramamy takelany vitsivitsy ho an' Ineny, sy tongobolo ho an' i Dada.
[2.643#]
9 Nitsiky indray maka izy dia nangarona ilay tongobolo tandrok'omby tao am-balahany ary nitelina indraim-bava vao nahateny hoe : Hihaona hay isika ry zareo, ka ianareo be kivazivazy foana aninkeheo. [2.895#] |
| Updated on 2025/10/11 |
|