Entry Rakotonaivo François
Part of speech   name (anthroponym) [list]
Malagasy definition   Rakotonaivo François (1924-)
¶ Teraka tany Betatao (Anjojorobe) tamin' ny 10 oktobra 1924. Nianatra tao amin' ny Petit Séminaire-Ambohipo, Kolejy Masina Misely-Amparibe, ary Lycée Galliéni izy. Nampoanatra nandritra ny 14 taona. Nanomboka nanoratra tao amin' ny gazety "Anivon' ny Riaka - L' Ile Australe" niandraikitran' Andriamatoa Régis Rajemisa-Raolison. Talen' ny gazety "Sori-Dalana" (1957-1958). Tonian' ny Filazam-baovao tao amin' ny Radio-Madagasikara teto Antananarivo, tany Antsiranana sy tany Fianarantsoa. Talen' ny Radio-Madagasikara (1976-1978). Mari-boninahitra: Chevalier de l'Ordre national Malagasy. [Rakotonaivo: Hainteny 1]
Vocabulary  
Literary works  

Updated on 2016/11/24