|
|
|
|

Entry1 Ny herin' ny Fahatsiarovana
Elementary words  2hery, 3fahatsiarovana
Part of speech  4 name (poem title) [Full list]
Vocabulary  5 Literature: poems
Author  6Rajemisa-Raolison Régis
Full text  7 Indrisy! nahoana, hono, lahy!
8 Matetika raha eto an-tany,
9 Tsy mety ny fo sy fanahy
10 Fa miherika ny andro efa lany,
11 Ka zavatra sendra voatsiahy,
12 Miserana fotsiny ihany,
13 Miteraka sento tsy nahy,
14 Indraika aza mampitomany?

15 Indrisy! nahoana, hono, mantsy
16 Ny andro mihelina itony,
17 Mitondra ny soa sy ny ratsy,
18 Tsy lasa dia tsy hita intsony
19 Fa mbola mazàna mihantsy
20 Ny olona hitondra lonjony,
21 Mametaka tombokavatsy
22 Tsy maty ao anatin' ny fony?

23 Indrisy! nahoana, hono, manko
24 Ny omaly tsy lasa dia miery,
25 Fa mbola mimpody malako
26 Toa maso mangala-pijery,
27 Toa feo averin' ny ako,
28 Miverina tsy misy very
29 Ka lasa vao manakotsako
30 Toa embona entina irery?

31 Indrisy! nahoana? - Satria,
32 Satria ny olon-drehetra
33 Natao ho faly doria,
34 Kanefa natao misy fetra:
35 Ny fony natao te-ho tia
36 Kanefa arahin' ny tsetra;
37 Ny Omaly sy Anio miara-dia,
38 Ny Omaly no mahery setra!

Updated on 2025/09/13