Entry mitsindroka (tsindroka)
Part of speech active verb
Malagasy definition Mitsaingoka voan-javatra eny amin' ny tany amin' ny vava: Aza avala hitsindroka vary ireo akoho ireo
¶ Mandray zava-pihinana latsaka amin' ny tany: Tandremo sao mitsindroka ny voankazo latsaka ianareo
¶ Manararaotra vava latsaka mba hamelezana: Tsy tsara inihitsy ny mitsindroka teny lasa tsy nahy [Rajemisa 1985]
French translation picorer [SLP 1986]
Morphology 
mitsindroka
nitsindroka
hitsindroka
mitsindroha
Examples 
1Akoho mitsindroka amin' ny arabe, andian-kanakana na gisa mody avy any an-tsaha, tsy mampiahotra na mampivily azy izany. [Andraina: Mitaraina, page 64]
2Ny lehibe mihinana ny kely, ny matanjaka mitsindroka ny osa. [Andriamalala: Zazavavindrano]
Quotes 

Updated on 2020/07/31