| Entry | 1 misononoka |
| Root | 2 sononoka |
| Part of speech | 3 active verb |
| Explanations in Malagasy |
4 Mandeha moramora misosa tsy misy manelingelina, misosa miadana toa lakana ambony rano tony: Nisononòka tsara ny fiondranako Mizotra tsara amim-pilaminana sy fifaliana: Misononoka ny fiainan' io fianakaviana io [1.1] |
| Examples |
5 Irony rano eny an-tampon'Ankaratra tazanin-davitra mamirapiratra hatonina akaiky misononoka fandeha voromanga voatora-defona ka tsy mijanona tsy any Itasy [2.131] |
| Morphology |
|
| Updated on 2025/09/12 |
|