|
|
|
|

Entry1  mipoaka
Root  2  poaka
Part of speech  3  active verb
Explanations in Malagasy  4  Mamoaka feo mafy tampoka mirefotra (vato, vanja, basy, tafondro): Nipoaka ny tafondro ka nihovotrovotra ny trano
Vaky miparitaka tampoka: Nipoaha ny fitaratra voan' ny vato
(masoandro na ny andro) Miposaka, na amin' ny maraina na rehefa avy nandalo tao anaty rahona: Efa mipoaka ny andro ka andeha hanahy ny vary
Mivoaka miseho hita ety ivelany, mirofotra: Tsy mbola nipoaka ny kitrotron' ny zanany
Miseho miharihary, vaky: Nipoaka ny tetiky ry zareo ka henatra foana no hitany
Nipoako ny ady lehibe no teraka ny zandriko
Misy bontsina miseho, miempaka: Nipoaka ny tanako tamin' ny asa angady omaly sy afakomaly
Mihamahia: Nipoaka Rakoto hatramin' izay naharariany izay [1.1]
5  miposaka (masoandro) [Sihanaka] [1.78]
Explanations in English  6  to burst, to explode [1.7]
Explanations in French  7  éclater, exploser [1.8]
8  exploser [1.13]
Morphology 
9  Present :
10  Past :
11  Future :
12  Imperative :
All compound words 
Proverbs  16  Proverbs containing the word mipoaka

Anagrams  17 miapoka, 18 mipaoka, 19 mipoaka

Updated on 2025/09/12