Entry | 1 mifihifihy |
Root | 2 fihifihy |
Part of speech | 3 active verb |
Explanations in Malagasy |
4 Mangovitra, mihoron-koditra: Mifihifihin' ny hatsiaka ity zaza ity fa rakofy lamba mafana Mihararetra: Vao nambanako izy dia nifihifihy Mangaihay, kepoka: Nifihifihy teo anatrehan' ny mpitsara ilay voampanga [1.1] |
Explanations in English |
5 To shiver, to shudder, to quake [1.2] |
Examples |
6 Sady mibaiko izy, no manontany, no manompa, ka i Lidy mifihifihy no manaraka azy eto aoriana sy manao izay lazainy.
[2.470]
7 Na ny omby aza no karavasiana, hita fa mifihifihy, taitra ary mihorona ny hodiny nandalovan' ilay dian-karavasy. [2.472] |
Morphology |
|
Updated on 2025/09/12 |
![]() |