Entry manoditra (hoditra)
Part of speech   active verb
Malagasy definition   [ mañoditra ] [Tanala] mamaofy, manala hoditra: Alao mañoditra aomby maty (ndeha na mandehana manala ny hoditr'omby maty) [Rakotosaona 1972]
   [Tanosy] manala hoditra, mamaofy [Rakotosaona 1972]
   Manenda-koditra: Manodi-boankazo / Manoditra omby
¶ Maharangotra ka manjary miendaka ny hoditra: Nanoditra ny ranjoko ilay vato
¶ Miendakoditra: Voan' ny vato ny handriko ha nanoditra
¶ Vaky miparasaka: Nanoditra ilay vato nitorahako ny vorona [Rajemisa 1985]
English definition   to skin, to peel [Hallanger 1973]
French definition   écorcher, éplucher [Hallanger 1974]
Morphology  
manoditra
nanoditra
hanoditra
manodira

Entry manoditra (toditra)
Part of speech   active verb
Malagasy definition   Manandrana kely ny sakafo mbola tsy tena masaka [Rajemisa 1985]
Morphology  
manoditra
nanoditra
hanoditra
manodira

Updated on 2010/05/14