|
|
|
|

Entry (1/2)1  manjombonjombona
Root  2  jombonjombona
Part of speech  3  active verb
Explanations in Malagasy  4  [1.1]
Explanations in French  5  être obscure [1.3#299]
Examples  6  manjombonjombona ny hevitrao ka hazavao (Votre pensée est obscure, éclaircissez-la) [1.3#299]
7  manjombonjombona ny Tany, Toa malahelo, toa tomany; [1.255]
8  Tapaka teo ny resaka, ny andro manaraka, andro manjombonjombona, tsy nisy resaka firy. [2.499#81]
Morphology 
9  Present :
10  Past :
11  Future :

Entry (2/2)12  Manjombonjombona
Elementary words  13  manjombonjombona
Part of speech  14  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  15  Literature: poems
Author  16  Rafanoharana
Full text  17  Manjombonjombona ny Tany...
18  Toa malahelo, toa tomany...
19  Ny ravinkazo efa maina
20  Voatsokan-drivotra maraina,
21  Indreo mihintsana dia lasa;
22  Ho aiza, hono, moa?… Asa!

23  Ny taho sisa, tsy mitafy
24  Midridridridry - voa mafy,
25  Miolanolana…. ! indrisy!
26  Mitady vonjy fa tsy misy!
27  Indreo ny sasany hampiasaina
28  Nazerazera, nokapaina.
29  Miboba ra, miala aina;
30  Malazo ireny; eny, maina!

31  Tanety maro, lohasaha,
32  Izao tsy manana mpizaha;
33  Marary ve?… mangavo-bolo
34  Toa tahom-bary bobongolo!

35  Tsy misy aina hita eny,
36  Ny lolo aza tsy mankeny;
37  Ny omby, ondry, tena noana;
38  Ho aiza anefa?… Mandry foana!

39  Anaty saha, an-jaridaina,
40  Ny voronkely very saina:
41  Tsy misy ravina ierena
42  Ka velon-tsento mahonena...
43  Ny lalana aza zary sina,
44  Ny tabatabany mangina;
45  Ny lanitra avy mitaraina...
46  Toa lasan-davitra ny aina.

47  Manjombonjombona ny Tany,
48  Toa malahelo, toa tomany;
49  Izay rehetra taza-maso
50  Dia nosomparan'ny ankaso.
51  " Nankaiza kosa ny masoandro,
52  Ilay mpanjakanao, ry andro?
53  Ny hanazava ve tsy tiany,
54  Sa semban-drahona ny diany" ?

55  Manjombonjombona ny Tany,
56  Toa malahelo, toa tomany...
57  Voahetsiketsiny ny Foko
58  Ka velon-tsento, mitoloko;
59  Ny ranomasoko dia tojo
60  Ny ranon'erika mijojo,
61  Fa ondry kely manim-bala
62  Mba te-hahita'reo malala.
63  Ho aiza anefa?… Hany hery
64  Manoso-menaka ny fery,
65  Dia fery velona tsy maty,
66  Manongotsongo ao anaty...
67  Manjombonjombona ny Tany,
68  Ny foko koa mba toy izany…

69  Ry fiononana antenaina,
70  Avia herezo koa ny saina!
71  Ry Ray mpandahatra ny eto,
72  Toneo ny foko tsy hisento!

Anagrams  73 manjombonjombona, Manjombonjombona

Updated on 2025/10/09