Entry malalaka (lalaka)
Part of speech   adjective
Malagasy definition   Lehibe ny sakany sy ny lavany: Malalaka ny lakozianareo izany
¶ Enti-milaza ny akanjo lehibe loatra ho an' ny tena ka toa difotra ao anatiny ny tena: Malalaka loatra iny kapaotinao iny izany
Mitovy hevitra: lobaloba ~ milobaloba
¶ Be sakana, na be velarana, migodana: Malalaka ny arabe eto Antananarivo
¶ Misy elanelany makadiry: Malalaka loatra ny andalan-tsoratrao
¶ Manam-potoana tsara, tsy misy mahamaimaika: Malalaka aho izao handray azy fa osai vo miditra izy
¶ Lava, betsaka: Malalaka ny fotoana hamitako itỳ sary itỳ
¶ Tsy teritery; ananana fahafahana tsy voageja: Olona malala-tsaina Rabe ~ Malalaka ny fifidianana ka fidio izay tianao na ny eny na ny tsia [Rajemisa 1985]
English translation   wide, roomy, spacious
¶ liberal [Richardson 1885]
   spacious, roomy; without constraint [Hallanger 1973]
French translation   spacieux, ample, grand, vaste, large, espacé, libre, sans contrainte, qui donne amplement la liberté, la faculté, la permission: Malalaka ny efi-trano (La chambre est spacieuse) [Abinal 1888]
   spacieux, vaste, ample; sans contrainte [Hallanger 1974]
Quotes  

Updated on 2013/03/08