| Entry | 1 kohadavareny | 
| Elementary words | 2 kohaka, 3 lavareny | 
| Part of speech | 4 noun | 
| Explanations in Malagasy | 5   Aretin-kohaka mety hahavoa ny zaza eo amin' ny enim-bolana ka hatramin' ny dimy taona eo, ary mora fantarina amin' ny serisery, maso mitsiranondrano sy kohaka mateza amin' ny alina; tapabolana aorian' ny famantarana voalohany, dia miseho ilay feo "lavareny" toa misioka isaky ny mikohaka, avy amin' ny fisintonan' ny fiainana amin' ny faran' ny kohaka mafy mifampitohitohy; aretina faran' izay mora mifindra ny kohadavareny, irony antsoin' ny olona hoe manara-damba [1.1] | 
| Explanations in English | 6   whooping cough [3.1] | 
| Explanations in French | 7   coqueluche [1.54] | 
| Examples | 8   Roa herinandro aty aoriana dia manomboka ny kohadavareny.
[2.424#] | 
| Vocabulary | 9 Health | 
| Updated on 2025/09/12 |   |