Entry Kabary nataon' Ilehimijila
Part of speech name (short story title or speech)
Subtitle Antananarivo, 6 Adalo 1832
Author Cousins William Edward
Tables and plates All the titles
Text Kabary nataon' Ilehimijila tamin-dEadama I. А. D. 1825. KABARY nataon'Ilehimijilatany Manerinerina fony izy nanatitra taratasy. Raha nihaona tamin-dRadama izy, hoy no fiarahabany azy :— Ho elavelona, ho tahaky ny masoandrohianao, ry Ilehimavony ; tsy maro an-tanána, tsy roa amy ny tany ; iray manendrika uy nosy, ho fahazavany ny andro; trarantitra, manahafa ny volana ho fanal' aiziny ny alina ; hotahiny ny razana, fa nomen-drainy namory ; ho tokana an-danitra ; tsy hanam-paharoa amy ny tany ; ho iray tompony ny maro Ilehimavony ; korintsam-bolamena handeha laza an-dafin-dranoma-sinaho rem-Bazaha; tsy takona avôny, tsy azo afeni-na, hampore Zanahary ; trarantitra amin' ity nosy ity Ilehimavony ; ho ela velona ho tompoiny ny maro ; mitoetra, mihary tany ; mandeha, ravaky ny matso; mandihy, soany ny rebika ; Ilehimavony no ataoko izao; fanateraky ny ombelahy nihary ny tany, zana- dRambola, zokin-dRabodo. Hehimavony tiakoan-efitra, tsy halako an-tanána, niriko tan-dafy, hitety ravin-kazo, handia ravin-don-gozy amin' ity efitra ity ; koa ampingara-bolamena : onjonina, manoro ny lanitra ; aondrika, forehitra ny tany ; velona, hitari-drano ; am-pananihana, hananikany an-kafatrarana. Hatorokoanareo, hoy Ilehimijila, Ida-malahy ; endrehiny ny tany, soany ny fanjakana, ; raha mitifitra ny haolo, mamahana ny tafika ; raha mito-raka ny lambo, mamelona ny toby. Izaza mena be-kilema maro-handra no miteny izao ; fa tsy hala ; Izaza manjaka anivony ny rano-mamy amin' ity nosy ity ; laolaony ny maro ; tabihany ny tany ; Idamalahy no ataoko izao, hoy Ilehimijila.

2019/08/17