|
|
|
|

Entry1 Ilay ony
Elementary words  2ilay, 3ony
Part of speech  4 name (poem title) [Full list]
Vocabulary  5 Literature: poems
Author  6Rafanoharana
Full text  7 Variana ny masoko, gaga ny saiko,
8 Mahita'ty ony mandalo tanàna:
9 Milamim-pisosa toa efa voabaiko,
10 Manatona ihany an'ilay fiafarana.
11 Ny onja madinika, indreny misangy,
12 Toa ondry aman'osy mifalihavanja;
13 Ny roatra tsy rototra, toa mampitamby
14 Mirona malako fa mana-mpilanja.

15 Ilaozako anefa'lay toerako teo,
16 'Ty ony malaza arahiko an-kiry:
17 Injany any erà ô! henoko feo,
18 Dia feo mahatahotra, feo makadiry!
19 Tsy ela dia hitako eo anoloako.
20 'Ty riana mianjera tsy roa aman-tany;
21 Ny rano mifafy hatreo am-pijoroako,
22 mamorona avana kanto aoka izany!

23 Miorika ihany hatrany hatrany,
24 Tsy miato ny diako manaraka ny ony
25 Satria te-hahita izay fiandohany,
26 'Zay hoe hainandro tsy tsapako intsony,
27 Dia iny'lay ony mihena, mihena,
28 Mihena miandalana sy mihakely;
29 Tanety vakiny - endre! raha jerena,
30 Fa mavana, maitso, toa " sahan'anjely " .

31 Ny omby aman'ondry darofan'ny andro,
32 Indreo fa misotro, mimà dia mitraka;
33 Ny ankizy mpiandry, mafana ka mandro
34 (Ireo tsy mba sahy mikatroka daka)
35 Mihena tsy hitan'ny masoko intsony
36 Fa lasa misitrika anatin'ny ampanga:
37 Endrey! zary tatatra manko ilay ony,
38 Dia tatatra kely toa mena-mitranga !

39 Dia hitako farany'lay loharano
40 Miboika dia miboika ambanin'ny vato;
41 Ny vato mivoaka eo manganohano;
42 Miboika dia lasa, mandeha tsy miato.
43 Indreny ny vorona, ireo voron'ala,
44 Misotro, variana, dia miara-mikalo
45 Miadam-pinaritra, tsy salasala,
46 Fa lavi-mpanenjika sy fahavalo.

47 Mandeha ny saiko mihevitra izany:
48 Nahoana aho re no kivy mazàna?
49 'Lay ony kanefa he'ty fiandohany
50 Mba kely ny bitika saro-jahana.
51 Ry foko, mionona ka aza tomany;
52 Raha toa mavomavo tsy fantatra akory,
53 lanaro ny ony, mitombo hatrany;
54 Ho resy miandalana ny andro mahory!

Updated on 2025/09/13