Entry Ikakilay sy Ifaralahy (kaky, fara, lahy)
Part of speech name (short story title)
Author Raharolahy Elie
Vocabulary 
Tables and plates All the titles
Text Diam-borosy farany no nasafony an'ilay filazana vonivony napetany teo amin'ny rindrina, dia iny nihodina ilay zatovo ka lasa nisakelika ireo horonan-taratasy lehibe mirentirenty soratra; nivimbina ilay fitoeran-dakaoly anangasangan'ny tahom-borosy.

Satroka tonta samihafa, lamba malotoloto, lobaka rovidrovitra, pataloha mitampina maromaro no indreo mifanosinkosina mandinika ilay filazana.

Iray amin'ireo Ikakilay; tsy mahay mamaky teny izy tsy akory, nefa nijoro teo ihany mba hamakian'ny namany vaovao. Koa teo io am-piandrasana an-drizalahy, izay samy mbola revo namahan-tena, dia ny bikan'ilay takelaka vonivony lehibe amin'izato firindran'ny haingo sy ny soratra teo aminy no nivezivezen'ny masony.
-- Ahoana, hono, lehiretsy, izy izany e? Inona indray io? hoy Ikakilay efa tsindrian-daona ery.

Niampy niampy ihany anefa ny mpamaky vaovao. Niampy irony olona madio fitafiana, mahay mamaky teny hoatra ny manety rano irony, ka indreny ry zalahy niala tsirairay rehefa avy nanopy maso ka nahita fa toa olona malaina hifanosy aminy no tao ivohony, anefa mijoro teo ihany, nanalava tenda na nanilika azy tamin'ny fanondro miangentsana.

Ifaralahy no niala farany teo, ka dia nanazava tamin'lkakilay, fa izy mianaka no borozano mpiray posy.
-- Ka hoe Kermesy indray, hono, io, ry Kaky ka! ... hatao etsy Ananona amin'ny Alakamisy, hiantomboka amin'ny valo maraina, dia hariva vao misaraka.
-- Avelao kely hifanao amin'io andro io, fa lasantsy tenany no aty, hoy ilay borozano anankiray izay, sady nohenjaniny ny hetrany.
-- Tsemboka miraraka, ho'aho, vao vola miraraka e! hoy kosa ilay namany nijoro teo akaikiny sady namonjy nitombina izy no nanao hoe: "Aina lany itadiavam-bola, vola azo itadiavana aina" !

Nisento Ikakilay. Niharihary teo anatrehany ny endriky ny lalana hombana ho any amin'ilay toerana haleha. Toa hitany sahady ny tenany mioitra manosika ny posy amin'iny lalana iny! Dia tsaroany tampoka izato nofony efa malazon'ny fahanterana. Tsaroany ny fitambororotry ny heriny eny am-pandehanana, toy ny fitsontsoriky ny hariva korodosin'ny alinan. Voatsapany tsy nahy noho izany eritreritra izany ny kibon-dranjony, ka injao tokoa nofo malemy mihevingevina no sisa, rakofan'ny hoditra efa maina azo ahorona ho azy.

Akoran'olon-dresy no injay naningana taoriana elan'ny koranan'ny maro: " Ho aiza, ho'aho, e? ... Avelao, ry ise, hifanao a! ... fahafirin'izay tany Ampatrana iny! ... Aza matahotra, lehitsy, ry Farilahy, fa antitra ny aty vao mena fify a! Avelao kely hotanako mihitsy ny lohany amin'io indray mitoraka io " .

Dia mangina ny lalana fa folapolak'andro izay ora izay. Ny mpitana birao efa samy any ambony sezany avy, ny mpianatra any an-dakilasy injao toa miara-mamerin-desona manao sarisarin-kira, sady tsy izany ihany fa ny arabe koa sendra irony fotoana fisintonan'ny mpandeha irony, tahaka ny onjan-dranomasina mihemotra mangina kely, alohan'ny hitosahany sy hitobahany eny amin'ny morom-pasika.

Tonga ny alina. Tsy nahita karama mihitsy Ikakilay sy Ifaralahy tamin'iny tapak'andro hariva iny. Impolo Ingahirainy no nanainga ny loham-posy, impolo no niantso ilay " Any ve?" , impolo no nitselatra teo amin'ny anakandriamasony ny fanantenana, ... anefa impolo koa no maty teo amin'ny anakandriamasony ireo ny afon'ilay fanantenana iny.

Tsy nahita tory Ikakilay. Notenehin'ny afon'eritreritra ny sainy, ka nangotraka nandevilevy nitera-droatra: mbetika rava, mbetika miavovona.

Ankizy dimy no zanany tamin'Itompokovavy Rasy, ka vao folo ranonorana monja ny zokiny indrindra. Ny taonany indray dia eo ho eo, anefa tsy naharitra horiritin'ny fihafiana tafahoatra, ka nitarika azy ho eo amin'ny toeran'ny taona! Mafy ny fiainana entiny fa noho ny aina mba hany "kapitaly" ampiasainy, dia tsy niditra firy loatra intsony ny vola noho ny fihenan'io kapitaly io, sady indrindra indrindra andro sarotra izao andro izao. Sakafo tapa-kibo lava sy akanjo rovidrovitra no mba hany tratry ny heriny nomena ireto menaky ny aina. Ary ny fanahiana ny ho ampitso! ... Oh! izay indrindra koa no tsy tantiny. Efa nahita ny mafy isan-karazany izy, anefa tsy tanany fa manganohano ny ranomasony nony mieritreritra ireto zanany voatavo tsy mifandraka tsy mahalala akory fa mitsontsorika dia mitsontsorika ny herin'ilay olona hany andry iankinany eto ambonin'ny tany.

Alakamisy maraina. Nirifatra Ikakilay sy Ifaralahy nanatona an' iny olona ndeha hijery fety iny. Nasosany teo anoloany ny loham-posy, anefa tsy nijery ilay olona, fa irony aotomobilina atao hoe taksia no nohatoniny.

" Mba avia re, ny Andriana, hotahin'Andriamanitra ianao, hoy Ikakilay, fa misy mahaporitra; marina raha hiady varotra akory iza-hay fa tsy izay foinao omena " .

Ny fikaratoky ny varavaran'ny taksia no valin'izay, dia niho-vitrovitra ny milina tao anatiny. Indreo nanitsy lalana ny kodiarana, dia lasa koa iny.

Efa inenina izy mianaka no niala maina.

"Akohon'Antanantanana lehitsy ity, ry Farilahy, hoy Ikakilay, sady nisento izy. Ibozy anefa ao marary, i Solo noroahin'ny mpa-mpianatra fa tsy nahaloa kolazy " .

Taksia iray sisa teo niandry mpandeha koa. Nandalo an'io indrindra izy mianaka no niteny ireo teny ireo Ikakilay.

Ankizy vanto-dahiny roa lahy no tao anatin'io aotomobilina io. Tsy mbola tapitra akory ny tenin'lkakilay, dia inty eto i Solo zanany nihazakazaka nanatona azy, ka dia nandrasany teo.
-- Soa ihany fa tratrako ianao, hoy i Solo sempotra dia sempotra, fa hadinonao any amin'ny poketranao any angamba ilay vola lasiroa nataonao hoe hividianana ronono ho an'lbozy.
-- Tao dia tao, lehiroa a!
-- Tsy nisy tokotrany tao fa efa nozahavako tsara e!
-- Ka ho aiza foana teo? ... Ny poketrako he! tsy misy akory!

A a a ... aoka, hoy Ikakilay, ilay namidiko jiro sy afo teo an-tsenakely hay no izy. Lalina koa ny manjo ahy izany! Vola efa noma-niko hividianan-dronono ho an-janako, anefa nanjary hadinoko foana teo ka nolaniko!

Nikentrona ny handrin'lkakilay fa niady tamin'ny sainy ny fony.
-- Farilahy a, hoy izy nony kelikely tamin'ny feo niniana nohe-njanina, misy ve any, ry ise a ? anefa izay tapa-teny izay dia tsy voaingany intsony, fa nigeragera, nihafarimparina, dia farina tanteraka. Nifantoka tany amin'lfaralahy ny masony, dia ny masony izay efa no zatra fahadisoam-panantenana, saingy mbola ninia nanantena ihany.
-- Misy iraimbilanja ihany aty, hoy Ifaralahy, anefa notehiriziko hisakafoanantsika mianaka anio antoandro ...
-- Iny àry aloha ny lasiroa, letsy, ry Solo, ividiano ronono ho an'i Bozy.

Lasa i Solo. Ifarilahy irery iny niverina nitondra ny posy hamo-njy ny fitoerany iny. Fa Ikakilay nijanona teo akaikin'ilay aotomobi-lina. Injany toa nisy afom-pahatezerana nitsoriadriaka tany anaty rany tany ka nahatonga azy ho vonombonona sy ho dontodonto toy ilay efa hiady iny ... ; dia nihidy ny vazany fa nibikabika io fahavalony teo akaikiny io izy. " Ireto tongony efatra anefa, hoy izy, dia fingotra bontolo be daholo tsy mataho-batokely akory, sady tsy mba mety vizaka ... Ny heriny, milina ao anatin' io makarakara io, tondrahana lasantsy fotsiny dia mihavao miaraka amin'ny vava... Ary ity tenany ... tsy mety sempotra ... tsara havokavoka ... He koa ity izy toa trano kely mitafo ka azon'ny mpandeha akana aina tsara. Fahavalo tonga avy any izy io, hoy Ikakilay, dia tonga tokoa ka mibahan-toerana manao kely tsy mba mamindro! Ny fihetra-ketrany dia mampitambotsotra andro aman'alina ny fahazoam-bolan'ny olona ory" .

Injay nisy zavatra nikaratoka tao anaty aoto tao, toa milina niaina, ka izay no nanaitra an'lkakilay hamonjy an'lfaralahy hiara-manao maso efatra aminy, hitsinjo dia handrombaka ny olona mi-volombolon'ny hamonjy fety.

Tsy ampy toy inona tokoa, dia indreto avy olona roa, lehilahy fohifohy vaventiventy sy lahy lava mahiahia. Nampiasain'izy mia-naka fanimpitony ny fomba fiantsoana rehetra, nefa tsy niraika ireto olona fa variana miresaka. Ny nahitana an'ilay fohifohy mivim-bina mofo mifono taratasy manify anefa dia nahafantarana fa hamo-njy fety izy, ka dia tsy nanary toky izy mianaka fa nanaraka teo ivoho.

Saingy toy ny teo aloha ihany, dia mbola ny taksia koa no noha-tonin'ilay olona. Fahavalo efa hitan'lkakilay hery ny taksia, sady vao avy nobikabikainy teo, ka ny nitazam-potsiny sisa nataony, nihazo-hazo teo, toy ny akoho lany fanahy mijery ny anjara variny tsaba-han'ny saka manangam-bovona.

Updated on 2023/04/02