Entry hotohoto (hoto)
Part of speech adjective
Malagasy definition Potipotika, rotidrotika: Nataon' ny saka hotohoto ny akanjokelin-janako
¶ Rovidrovitra, voarotika: Hotohoto ny tarehin' ilay kely fa tsy niantran' ilay lehibe mihitsy, hono [Rajemisa 1985]
Derivations 
Synonyms hoto

Entry hotohoto
Part of speech noun
Malagasy definition  [Bara] korontana amin'ny tany sy fanjakana [Rakotosaona 1975]

Entry hôtohôto
Part of speech noun
Malagasy definition  [Betsimisaraka] poti-drofia madinika sisan'ny natohin'ny mpanenona [Rakotosaona 1975]

Updated on 2010/10/07