Entry | 1 Hofa sandrin' ny lanitra |
Part of speech | 2 name (poem title) [Full list] |
Elementary words | 3 hofa, sandry, lanitra |
Vocabulary | 4 Literature: poems |
Author |
5 Rajaofera Fredy |
Full text |
6 Ny vovoka, ahintsano. Akipaho ny nofo, 7 Avereno fa indrana, lamba mora miofo. 8 Inty ny akanjo fotsy. Ary inty ny kapa, 9 Avia, modia, ry oloko, midira aty an-dapa! 10 Ny tany nilasiana: tetezana mpamitaka, 11 Mampita fa mamefika . Loza mampibitaka . 12 Aty no azo antoka, tsy misy rebireby, 13 Avia modia, ry oloko, aza mba someby ! 14 Zava-tsoan'ny tany, ankosotra mangirana, 15 Indray mitopy maso mandavo an-kodimirana, 16 Aty no tsy mba miova, aty no volamena, 17 Avia modia, ry oloko, tomoera ka monena! 18 Vokatra ao an-tsompitra, hasasara-maina, 19 Am-baravaram-pasana tsy mahatana ny aina; 20 Aty no fitoazana ..., fararano lava, 21 Avia modia, ry oloko, hijinja ny ambim-bava . 22 Ny zanakao afoizo. Ny vadinao ilaozy; 23 Aty andrasana izy, ny fiainanao havaozy. 24 Avelao ny havana voa lefona maranitra, 25 Avia modia, ry oloko, mila anao ny lanitra ! 26 Ialao ny gidragidra , ny loza sy ny ankaso, 27 Aty ny Paradisa, tsy misy ranomaso, 28 Ho inonao ny tany, mpamingana mandady, 29 Avia modia, ry oloko, ry oloko afaka ady! 30 Faharesena an-tany no lalan-tora-tady 31 Diavin'ny mpandresy hamonjy lokan'ady , 32 An-koatry ny hita maso, hitohy ny voatahy: 33 Avia modia, ry oloko, an-dapan'ny Fanahy! |
Updated on 2025/09/13 |
![]() |