Entry havokavoka
Part of speech noun
Malagasy definition Taova anankiroa, havia sy havanana, ao anaty tratra, mifono ao anaty kitapo roa sosona atao hoe plevra, ka fiafaran' ny fitaovam-piaina. (Entin' ny traokabe, izay mizarazara ho zana-traoka eo am-pidirana amin' ny havokavoka, ny rivotra ka miafara any amin' ny kitapon-drivotra kely an' analinaliny; ao anatin' ireo kitapon-drivotra kely ireo no mifandray ny mpanelira madinika sy ny mpamerindra madiniky ny havokavoka, ka ny ra mena mainty entin' irery voalohany, mivesatra gaza karbonika, dia miova ho mena midorehitra noho ny oksizenan' ny rivotra, ka dia entin' iretsy faharoa kosa indray any amin' ny fo) [Rajemisa 1985]
English translation the lungs, the lights. [Richardson 1885]
French translation poumons [Rajaonarimanana 1995]
Vocabulary 

Entry havokavoka
Part of speech noun
Malagasy definition Kapoka mandrivorivo, fikapohana na famelezana mafy tsy misy indrafo. [Rajemisa 1985]
English translation flogging, beating, striking. See kapoka, vely. [Richardson 1885]
Derivations 

Entry havokavoka (havoka)
Part of speech noun
Derivations 
Analogues  volo/colors/couleurs

Updated on 2020/07/31