|
|
|
|

Entry1  fitampoha
Root  2 tampoka
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4 fampandroana an' i Dady. Dady dia isan' ny razamben' ny andriana sakalava, rahefa natokana
5 ho zanahary hotompoina sy hiankohofana izy, sady efa vita moharay tamin' ny nifim-boay
6 ny nifiny sy ny hohony, ets., ary tsy natao izany raha tsy efa amin' ny andron' ny
7 zafikeliny izay manjaka. Izany no nanaovana azy hoe "Dady":
8 Idadabe, satria raiben' ny zafiny manjaka amin' izay fotoana izay izy. Tsy maintsy
9 nanokanana andro firavoravoana lehibe indray mandeha araka izay fe-taona na fe-potoana
10 voatendry i Dady, hanompoana sy hanandratana azy ary hiankohofana aminy.
11 Izany no atao hoe "fitampoha". Vahoaka tsieranaina no antsoina amin' izany rahefa
12 hampandro an' i Dady. Milahatra manao tsy omby aloha amin' ny arabe dia miala satroka
13 daholo rahefa mandalo izy. [1.10]
14 Fampandroana ao anaty rano mandeha ny sisan-taolan'ny razan'ny mpanjaka sakalava, izay atao amim-pomba lehibe arahindanonana isaky ny folo taona. [1.1]
15 fandroana, fampandroana ny jinin'ampanjaka [Masikoro] [2.606#151]
Explanations in French  16 cérémonie du bain des reliques royales des Sakalava du Menabe [1.5]
Examples  17  Efa fanao hatry ny ela ny fitampoha. [2.508]
18  Ny hevitry ny teny hoe "fitampoha" dia fandroana. [2.606]

Anagrams  19 fampihota, 20 fitampoha

Updated on 2025/11/13