|
|
|
|

Entry1  fisosohana
Root  2 sosona
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4 Fananana sosoka na fanampiana lamba rovitra na marambato mba hitovy tantana: Hampihena betsaka ny vidiny ny fisosohan'itỳ palitao itỳ
5 Fankanesana ho eo amin'ny toeran'olon-kafa iray: Tsy nahateny ny olona nahita ny fisosohan'ilay vahiny tsy fantatra teo amin'ny toeran' ny filoha
6 Fisalovanana eo anoloana: Mahasosotra ahy ny fisosohanao eo anoloako
7 Fitsabahana amin'ny raharahan'ny sasany: Tsy ilaiko akory ny fisosohanao amin' ny raharahako [1.1]

Updated on 2025/09/12