Entry | 1 Eny, alina |
Part of speech | 2 name (poem title) [Full list] |
Elementary words | 3 eny, alina |
Vocabulary | 4 Literature: poems |
Author |
5 Zanamihoatra Randja |
Full text |
6 - Alina ! tsia, ry mpiambina malala ! mbola miafitra etsy aniva 7 Ny salovana somamby niafaran’ny taratr’andro 8 Mitsontsorika mankany : 9 Mbola izao manako izao ny fara-ezaky ny antsiva 10 Miala aina moramora eny an-tsefa-draho-mihandrohandro : 11 Ny hariva mitomany ! 12 Injao manetsaketsa maika ny mpitoto sy ny hirany, 13 He, ny vodilanitra aza mbola miezaka hanohitra 14 Ito haizina eny an-dalany ; 15 Izatsy zazavavy izatsy mbola miandry ny fidirany 16 Ka mitazana tsy miala, eny am-baravaram-bohitra 17 Ny fiavin’ny malalany. 18 (Omaly koa - toy izao - ..... .... ........... ) 19 Eto anivo izao ny alina ! 20 Mangina sy mamelovelo ny tokotanin’ny tanàna... 21 Oriory mahagaga izato ambain’ny habakabany 22 Manalona etsy ambony ; 23 Lasalasana ambiroa irony morona fitana 24 Nony very poka teo izany feon’ny koratabany. 25 Eny, alina tokoany ! 26 Kintan-kely mahatsiahy sisa mantsora ny aizina ! 27 Injay ny “zovy mitarazo” sy ny rodorodom-mpiambina 28 Misafo manodidina 29 Fa mitambatra ho ao, mitaria tsy azo laizina 30 Ao anaty torimaso ... ; injao ny nofy misakambina 31 Ny vetso tsy hanidina ... 32 Alina hafahafa ! Alina tsy haiko ambara ! 33 Alin-tsambatra ? tsy fantatro ! alina mamelovelo 34 Fiaretan-tory koa... 35 Niarina aho... dia nisento ka niampofo ny Tantara ; 36 Injay nanevitevika ahy, izany sintan’alahelo... 37 Eny, alina tokoa ! 38 Mpiambina ô ! ny zovinao manatsafa ny any ho any ! 39 O ry foko koa injao fa mamakafaka ny alina ! 40 ‘Ndeha hiaraka hisaina 41 Ka handrendrika ny feo ho “FANAHY MAMINANY” 42 Sao mba fantatsika ety ny “zava-miafina sy lalina” 43 Mandra-piavin’ny Maraina. |
Updated on 2025/09/13 |
![]() |