|
|
|
|

Entry (1/2)1  D  ~  d    
Part of speech  2  noun (symbol)
Explanations in Malagasy  3 tarehintsoratra fahatelo ary renitsoratra faharoa amin'ny abidy malagasy,
4 mitonona hoe di na de.
5 Fiovan'ny l amin'ny fanakambanan-teny
6 (lalana lavitra = lalan-davitra).
7 Ny l amin'ny fitenim-paritany koa indraidray dia d
8 amin'ny fiteny merina. [1.1]
9 tarehintsoratra faha-3 amin'ny Abidia malagasy, ary renisoratra faha-2,
10 fa nolavin-dRadama I ny C, araka ny efa voalaza.
11 Ny tantaran'ny tarehintsoratra D, hatrany am-piandohana, tao amin'ny firenena maro,
12 dia naman'izay efa voalaza momba ny B ihany. -- Ny renisoratra D dia isan'ireo
13 tonina amin'ny fihetsiky ny nify: mikatona ny nify rehetra ambony sy ambany;
14 ny loha-lela manohana ny andrianify ambony anankiroa, dia toy ny voatampina
15 hatraiza hatraiza tsy afa-mivoaka ny feo. Ny feo mivoaka avy amin'izany
16 vava nihidy izany vohana tampoka, no feon'ny D; ary ny iavahan'ny feony amin'ny an'ny T namany
17 dia izao: ny T dia toy ny mipoaka tsotra eo am-bava, fa ny D misy mitarika
18 mipaka any amin'ny tadin-peo any an-tenda, ka malefadefaka sy madondadonda kokoa,
19 fa ny T mafy fitefoka kokoa.
20 
21 Tany am-boalohany dia telo zoro toy ny loha-tapenaka ny D.
22 Niova tsikelikely ny tarehiny: nihanijoro mahitsy ny zorony ankavia, ary ny roa
23 ankavanana sy ambany nitambatra naka ny endriky ny volan-tsinana.
24 -- Ny d kely dia ny D lehibe mivadika, ary halavaina miakatra ny andriny.
25 -- Feo midoboka tian'ny m[andaha-teny hampiasaina ny an'ny D.
26 
27 Ny d dia akambana amin'ny r hilazana ilay feo manokana hoe dr,
28 toy ny amin'ny hoe dradradradra, ary tadiavin'ny sasany hakambana koa amin'ny
29 z hisolo j, toy ny hoe mijery soloana hoe midzery. Izany dia mampiseho fa
30 misy ihany amin'ny teny malagasy renisoratra sasany izay toninona tsy
31 mila zanatsoratra: dr, tr, ts, mb, mp, nd, ng, nj, ndr, nts.
32 Koa raha managasy ny teny baiko dia hita koa ireny, toy ny hoe
33 Kristy, kristiana, Madagaskara, protestantra, frantsay, anglikana,
34 presbitera, telegrafy,
, ets.
35 Raha tahiny tsy maintsy hasiana zanatsoratra tsirairay avy ireny renisoratra ireny
36 dia ho hafahafa be ihany. [1.10]
Explanations in English  37 the third letter of the Malagasy Alphabet. It is pronounced as d in English. It undergoes no change in combinations. It is interchangeable with l in many of the provinces. Thus didy becomes lily, vady becomes valy. The word kelikely of the Hova becomes kedikedy in some provinces. When l is the first consonant of a word, and words ending in -na [or ny], -ka, or -tra are to be joined to it, the l always becomes d, as: lalan-dava (lalana and lava); lemade-maka (lemaka and lemaka); tongo-dalitra (tongotra and lalitra). When the verbal prefix man- is joined to roots beginning with r, d is inserted to bridge over the sound of n and r, as mandre (man- and re); and when man- is prefixed to roots beginning with l, the l is changed to d, as mandeha for (man- and leha) [1.2]
Explanations in French  38 la troisième lettre de l'alphabet malgache,
39 et la deuxième des consonnes. [1.3]
Analogs  40  abidy
Tables and plates  41  The Alphabets
Article  42 Andriamihaja Solonavalona: Ny fivoaran'ny abidia malagasy
Illustrations 

Entry (2/2)43  D  ~  d    
Part of speech  44  adjective
Explanations in Malagasy  45 ilazana ny isa 500 ny D amin'ny tenamarika romana. [1.10]
Vocabulary  46  Mathematics: arithmetic
Tables and plates  47  The Numbers

Updated on 2025/11/20