Entry babay
Part of speech noun
Malagasy definition Kilalaon' ankizy izay manipy zavatra eny an-tanany hisavoana dia tantazany tsy ho latsaka sady ataony hoe: "Latsaka i babay, tonga i babay". (Sarina tanisa). [Ravelojaona 1937]
English translation a children's game [Richardson 1885]
French translation Nom d'un jeu d'enfants consistant à laisser choir quelque chose de la main et à le ressaisir dans la chute. On dit en jouant : Latsaka babay, tonga babay. lit. Babay tombe, babay remonte [Abinal 1888]
Vocabulary 
Compound words, titles, names 
Quotes 

Entry babay
Part of speech noun
Malagasy definition Teny fanaovan' ny tambanivohitra sasany, fiovan' ny hoe "baba" (dada). [Ravelojaona 1937]
  [Sihanaka] renibe [Rakotosaona 1975]
English translation  [Provincial] in the provinces it used for father. [Richardson 1885]
Vocabulary 

Entry babay
Part of speech interjection [full list]
Malagasy definition Tenim-piontanana, na fahataraina, ataon' ny olona izay voatendrin' ny manampahefana hisambotra na hitana ny olona ahiahina ho namosavy. [Ravelojaona 1937]
English translation an expression of lamentation uttered by the officers appointed to seize those suspected of sorcery. [Richardson 1885]
Compound words, titles, names 

Entry Babay
Part of speech name (toponym) [full list]
Malagasy definition Tendrombohitra eo ankavian-dalana mankany Mojanga, andrefan' i Moriandro, sahabo 6 km. atsimon' i Lovohitra. Mievotra eo afovoan' ny tany lamaka izy ; tomandavana mianavaratra sy mianatsimo, ary Babay no anaran-tokana ilazan' ny olona azy. Misy tendrony efatra anefa izy: ny atsimo no avo indrindra, ary mihaiva hatrany. Misy kirihitr' ala betsaka eny antenantenany eny :voafotsy no be amin' ireny, sy ilay hazo mafy atao hoe famaho, karazan' ny harahara. Samy efa nonenan' olona ireo tendrony efatra amin' i Babay. Ny atsimo indrindra dia atao hoe "Antampon' i Babay" : nonenan' izany olona natao hoe "Ibabay" na "Ralaibabay" (asa na Sakalava na Vazimba izy io). Ny tendrony manarakaraka dia "Ambohimanoro", nonenan' izay natao hoe Andriamanoro. Ny fahatelo dia "Ambohimalemizaka", nitoeran' izany "Andriamalemizaka". Ny tendrony fahefatra dia "Ambohitrandriana" ; io sisa misy mponina mandr ak' ankehitriny, ka ataon' ny olona hoe Babay. Samy voahodidina hadivory avokoa izy efatra. Fasana, fahitr' omby rava, ary vavahady mikorontana sisa hita eo amin' ireo telo atsimo. Samy fonenana tsara anefa izy, satria sady manga rivotra no akaiky rano (tra-toraka avy eo am-bavahady) ary mora iarovan-tena amin' ny fahavalo. -- Misy farihy telo namboarina eo antenantenany andrefana, izay samy be kirihitr' ala mahafinaritra. Ny lehibe indrindra dia "Andranosoa", tokony ho 150 m. ny lavany mianavaratra sy mianatsimo ary 80 m. ny sakany ; be harefo sy trondro io. Ny roa kelikely avy dia eo ambony atsinanan' ity lehibe : ankevitry ny samy 80 m. avy ny lavany ary 30 m. ny sakany : "Andranomizàna" sy "Andranonamboa" no anarany. ... [Ravelojaona 1937]
English translation a mountain in Imerina [Richardson 1885]
French translation célèbre montagne au nord-ouest de l'Imerina [Abinal 1888]
Vocabulary 
Examples 
1Lohavohitra, lasan' ialahy ! ka dia alai' ny ialahy indray i Babay ! [Callet: Tantara, page 239]
2Tonga indray ny taratasin'ny Prime Minister nanao hoe : Mankanesa ao Babay hianareo; [Cohen-Bessy: Rakotovao, page 274]
3Avaradrano : renivohitra : Ambohimanga, Antananarivo " : Alasora " : Ambohidratrimo " : Fenoarivo " : Lohavohitia sy Babay " : Betafo sy Antsirabe. [Fagereng: Tantara, page 35]
Quotes 
Toponymy babay

Updated on 2020/07/31