|
|
|
|

Entry1  anaran-tsamirery
Elementary words  2 anarana, 3 samy, 4 irery
Part of speech  5  noun
Explanations in Malagasy  6 Ny atao hoe anaran-tsamirery dia ny anarana milaza olona na biby na zavatra tsirairay avy, ka entina mampiavaka azy amin' ny hafa mitovy karazana aminy. Ohatra: Andrinampoinimerina, Naivo, Alaotra.
7 Ireto avy no mety hanana anaran-tsamirery: ny olona (Rabe), ny biby (Imaromainty), ny tany (Madagasikara), ny faritany (Imamo), ny tanàna (Antananarivo), ny tendrombohitra (Andringitra), ny renirano (Mangoro), ny farihy (Alaotra), ny mponina amin' ny tany iray (Malagasy).
8 Atao soratra vaventy mandrakariva ny voalohan-tsoratry ny anaran-tsamirery, afa-tsy ny anara-mponina raha ampiasaina ho mpamaritra anarana izy, ary soratana teny iray daholo ny teny rehetra natambatra manaovana azy. Ohatra: Anisan' ny tonga teto voalohany ny Arabo ~ Ny hoe mizana dia teny arabo. [1.146#41]
Explanations in English  9 name [3.1]
Explanations in French  10 nom propre [3.1]
Examples  11  Tokony ho anaram-bosotra tsotra izy io rehefa tsy anaran-tsamirery [1.519]
Vocabulary  12  Linguistics

Updated on 2025/12/08