|
|
|
|

Entry (1/9)1  A  ~  a    
Part of speech  2  noun (symbol)
Explanations in Malagasy  3 
4 Tarehintsoratra voalohany amin'ny abidy latina, na romana
5 izay noraisin-dRadama I hanoratana ny fiteny malagasy efa
6 nosoratana tamin'ny soratra arabo, natao hoe sorabe,
7 talohan'ny nahatongavan'ny vazaha nampianatra teto Antananarivo -
8 dia sergent Robin (Frantsay, 1819) sy David Jones (Jonjilava),
9 misionera protestantra voalohany avy amin'ny L.M.S (taona 1820).
10 -- ALEPH no anaran'ny A amin'ny abidian'ny Foinikana (Fenesiana)
11 inoana ho niandohana; ny Grika, nandray avy amin'ny Foinikana,
12 nanome anarana azy hoe ALPHA, izay nakan'Romana ny azy kosa;
13 ary ny an'ny Romana dia nolovan'ny vazaha rehetra.
14 Noho ny fitovitoviana endrika amin'ny lohan'ombilahy, hono,
15 no nanaovan'ny Foinikana azy hoe Aleph.
16 Tarehintsoratra voalohany amin'ny abidian'ny Semita
17 (Jiosy, ets.) koa ny Aleph (Salamo 119, Fitom. Jer. 3)
18 
19 Zanatsoratra voalohany, no feo tsotra indrindra avoaky ny vava,
20 tsy misy manano sarotra, na ny lela na ny lanilany,
21 na ny nify, na ny molotra. -- Misy heviny samy hafa ny feon'ny A,
22 amintsika Malagasy. [1.10]
23 
24 Tarehintsoratra ary zanatsoratra voalohany amin'ny abidy malagasy. [1.1]
Explanations in English  25 The first letter of the Malagasy Alphabet; in accented syllables it has the open sound of a as in father, but a somewhat lighter sound in unaccented syllables. [1.2]
Explanations in French  26 
27 Première lettre et première voyelle de
28 l'alphabet malgache; il se prononce
29 comme l'a français dans papa. Il est
30 plus ou moins muet à la fin des mots,
31 à moins que la finale ne soit accentuée.
32 Uni à i il forme la diphtongue ai qui se
33 prononce comme dans le mot français
34 rayon. Uni à o il forme la diphtongue
35 ao qui se prononce âou, mais ou n'est
36 ordinairement bien sensible qu'à la fin
37 des mots. Quand a est préfixe d'un participe passif et uni à i ou o, chaque voyelle se prononce séparément: Aîdina
38 (idina), qu'on verse; Aôrina (orina),
39 qu'on construit [1.3]
Analogs  40  abidy
Tables and plates  41  The Alphabets
Article  42 Andriamihaja Solonavalona: Ny fivoaran'ny abidia malagasy
Illustrations 

Entry (2/9)43  a
Part of speech  44  interjection [Full list]
Explanations in Malagasy  45 
46 alefa malefadefaka somary halavaina, mankany amin'ny lanilany: milaza hagagana:
47 A! hay va re io izany izy io e.
48 
49 feo fohifohy, henitra, somary midoboka, mitrenavy any an-tenda:
50 anambarana ny hafaliana noho ny fahitana zavatra mby
51 amin'ny aniriana azy: A! afa-doza lahy hianao.
52 -- Feo fanakorana koa, namanaman'ny "sakory izay!"
53 -- A! vaky ny laingany. [1.10]
54 
55 "A..a..!" feo somary akarina avo dia aolika vao apetraka tsimoramora,
56 ary
57 toy ny sisihana h: fandavana.
58 
59 feo somary akarina dia midina
60 tsimoramora, omban-tsento kely: manambara fanahiana loza.
61 -- Raha feo mivelatra, omban-kafaliana:
62 manambara fahafahana amin-doza.
63 
64 "A..â..!" feo mafimafy, mihamivelatra:
65 milaza hatahirana, hatalanjonana.
66 A..â..! hianao ve no mahavita izao amin'ny sakaizanao?
67 
68 "A!" feo mivelabelatra atao ao aorian'ny
69 anaran'ny antsoina, amin'ny mitovy saranga, na ny ambanin'ny tena.
70 -- Dia averin'ny antsoina manoina koa io à io,
71 somary halavalavaina: Rabe à!
72 -- A..à! -- ô! no fiantso sy fanoina manaja.
73 Rabe ô ô..o;
74 (na: Ahoana tompoko!). [1.10]
75 tononina mivelatra, mafimafy, ao aorian'ny anarana (nom), ny m.a.
76 (verbe passif), sy ny m.r. (participe), dia milaza:
77 (1) ny tompon-javatra:
78 entan(a) à miaramila,
79 tongotr(a) à bitro,
80 menak(a) à trozona;
81 (2) ny mpanao:
82 nokaikerin'à maingoka izy,
83 norobain'à jirika ny mpivarotra;
84 (3) ny hery, ny asa:
85 raharaha tsy vitan'à dimy lahy,
86 vilany tsy azon'à loso.
87 Asa izay tokony hametrahana io kianteny sombiny kely io amin'ny karazan-teny,
88 na hatao ph. (mpampitohy, préposition), na d.a. (mpanondro anarana, article)
89 na inona. Lazain'Ingahy L. Dahle fa hita ao amin'ny fiteny maley izy io,
90 saingy NA amin'ny an-dry zareo. -- Asa izy ity na mety hiray fototra amin'ilay tapa-teny
91 hoe ANA, mbola miasa ihany eto Imerina sy any Betsileo, ets.:
92 ANA-Vazaha sa ANA-Malagasy ity trano ity? ANA-Malagasy io; tranon'à
93 Malagasy io.
94 -- Ny hevitry ny teny asiana ity à ity dia sahalahala amin'ny
95 tsy misy azy ihany, angamba manisy heriny na fanavahana kokoa:
96 enta-miaramila, asa vitan-dimy lahy, nokaikeri-maingoka, vilany tsy azon-doso, ets.
97 Asa koa izay mety ho fanoratra azy io, na ny asiana (solon-janatsoratra)
98 toy ny atao eto, na ny akambana amin'ny teny voalohany:
99 "mifombana matoanteny", hoy izahay, Fitarihan-teny, tak.12. [1.10]
100 feo enti-mamaly antso akaiky: A! (Ahoana!, Ahoana tompoko!) [Tsimihety] [1.78]
101 
102 Feo kely ampanarahina ny anaran'olona antsoina raha ankizy
103 na olona tsy dia hajaina firy:
104 O ry Koto a, ento atỳ ny famaky.
105 
106 Enti-milaza fahatahirana, figagana:
107 A! hadinoko lahy ny nampandre an-dry dadatoa!
108 
109 Enti-miangavy somary mihanta ary manantitrantitra:
110 Itondray mofo kely ange aho rehefa mankany an-tsena i neny;
111 izany ange, ry neny a!
[1.1]
Explanations in English  112 An exclamation of surprise and approbation; Ah! There now! It is also used like o or e after names, as Rabe a! [1.2]
Explanations in French  113 
114 Sert à appeler: Boto a! Eh! Boto.
115 
116 Marque la surprise, l'admiration, l'approbation, etc.
117 A! hadinoko ny lakile. Tiens! j'ai oublié la clef. [1.3]
118 
119 Hé! Ah! Hein!
120 
121 1. Sert à appeler (entre personnes de même condition sociale).
122 Rakoto a! Hé! Rakoto! (cf. e, ô).
123 
124 2. Marque un sentiment de surprise et d'étonnement.
125 A! hadinoko ny nilaza tamin'i dadatoa Rabe.
126 Ha! J'ai oublié d'informer oncle Rabe.
127 
128 3. Interjection de renforcement.
129 Izao a no lazaiko anao.
130 Voici, hein, ce que j'ai à te dire.
131 Jereo tsara a.
132 Regardez bien, hein! [1.5]
133 
134 Marqueur interjectif: à la fin d'une phrase interrogative,
135 renforce l'interrogation.
136 Anareo taroy iñy ny avy atoy io a?
137 "C'est bien vous que nous avons rencontrés là-bas
138 et qui êtes ici maintenant, hein?" [Tanala] [1.6]

Entry (3/9)139  a~
Part of speech  140  prefix [Full list]
Explanations in Malagasy  141 
142 apetraka eo alohan'ny fototeny dia mahatonga ny karazan-teny mpampitohy
143 (préposition): aloha, amorona, ets.
144 Naman'izany koa ny A, Am, An, amin'ny anaran-toerana: Anosy, Ambondrona,
145 Antananarivo. Ankevitry ny ho tovona ihany koa ny a iantombohan'ny
146 teny sanany, toy ireo ilazana ny lafiny efatra amin'ny toerana:
147 avaratra,
148 atsimo,
149 andrefana,
150 atsinanana,
151 saingy tsy tena fantatra mazava izay hevitry ny fototeny tovonany.
152 
153 Atovona ny fototeny dia mahatonga m.a. (verbe passif) milaza ny iharan'ny atao:
154 atao, ajanona, mitovy hevitra amin'ny m.a. fototeny mitovana:
155 alaza, lazaina;
156 aboroka, borahina;
157 atoto, totoana.
158 Matetika tsy misy m.a. mitovana namany tsy akory:
159 aiditra,
160 apetraka.
161 Indraidray kosa m.a. milaza ny enti-manao:
162 adidy ny antsy;
163 atorako ny vato. -- Raha miantomboka amin'ny a ny fototeny dia
164 ankevitry ny tokony hisy a anankiroa ny m.a.:
165 ato, aato;
166 adana, aadana;
167 anefa mazàna volena h ao anelanelan'ny a roa:
168 ahato; na ny matoanteny mitovona no anaovana ny m.a.:
169 ampiatoina, ampiadanina. [1.10]
170 
171 Tovona fanaovana karazana matoanteny roa, dia:
172 a) ny matoantenin'ny atao, izay entina milaza ny hevitra hoe "atao"
173 na "asaina" na "avela"...:
174 Aato: asaina miato;
175 ajaridina: avela hijaridina.
176 b) ny matoantenin'ny fitaovana, izay enti-milaza ny zavatra
177 "entina manao" na "ampiasaina hanao" asa iray:
178 Adaka: entina mandaka;
179 adidy: ampiasaina handidy. [1.1]
180 
181 Endriky ny an na ana eo alohan'ny teny iray
182 manomboka amin'ny m na n:
183 Amorona (an-morona),
184 anosy (an-nosy). [1.1]
Explanations in English  185 A verbal prefix joined to roots and forming a passive verb. Thus from fafy, sowing, we get afafy, used of the seed sown, in correlation to the passive verb fafazana from the same root, used of the ground sown. [1.2]
186 A prefix used like an-, am-, and i-, to make a noun into a preposition; e.g. morona, (the) edge, amorona, at the edge; nosy, an island, anosy, on an island, etc. [1.2]
187 An addition made by some of the tribes to nouns beginning with o, as aomby for omby, an ox; aondry for ondry, a sheep, etc. [1.2]
188 
189 Prefix used to form passive verbs which typically indicate
190 an intermediate position, as:
191 ahosotra, to be smeared or painted on something;
192 cf. hosorana, to have something smeared or painted on it. [1.7]
Explanations in French  193 
194 1. Sert à former des participes passifs:
195 Lamba ahahy, linge qu'on fait sécher;
196 menaka ahosotra, graisse pour oindre.
197 
198 2. Sert à former quelques adverbes et prépositions,
199 et équivaut à an, am, amin': Afovoany,
200 au milieu;
201 amorona (morona), au bord;
202 anosy (nosy), à l'île. --
203 Tsy a-, tsy an-, tsy am-, sans.
204 Tsy anify, sans dent.
205 Tsy an-dray, sans père;
206 Tsy am-peo, sans voix, enroué. [1.3]
207 
208 1. Préfixe des verbes passifs.
209 Avela, qu'on laisse.
210 
211 2. Préfixe des verbes instrumentifs.
212 Adidy, avec quoi on coupe.
213 
214 3. Préposition
215 Amorona, au bord de. [1.5]
216 
217 Préfixe qui sert à former des verbes passifs;
218 ces verbes indiquent souvent une position intermédiaire;
219 par exemple:
220 ahosotra, qu'on applique comme enduit;
221 cf. hosorana, à quoi on met un enduit. [1.8]
222 
223 1. Préfixe verbal: sert à former des passifs
224 (passifs substantifs et passifs instrumentaux).
225 Apetraka, qu'on pose.
226 Afatotra, avec quoi on attache. [Tanala]
227 
228 Préfixe: sert à la formation des loco-démonstratifs
229 de lieu invisible:
230 atoy, là (à un endroit qu'on ne voit pas). [1.6]

Entry (4/9)231  -a
Part of speech  232  Unspecified
Explanations in French  233 
234 Marque de l'impératif des verbes actifs et des adjectifs.
235 Mandrosoa! Entre, entrez!
236 Soava! Sois bon, soyez bons. [1.5]

Entry (5/9)237  a
Part of speech  238  preposition [Full list]
Explanations in French  239 
240 1. Dans, à. A faritany Ifanadiana,
241 dans le district d'Ifanadiana.
242 Mandria a hohotra moa en-draike,
243 "Que l'un dorme au pied [de l'autre]". [Tanala]
244 
245 2. Dans, lors de...
246 Añy a fandrombezany añe,
247 là-bas, dans sa quête.
248 A Talata anareo mitongava atoy,
249 "Revenez ici mardi".
250 
251 3. Selon. A fomba atoy,, selon la coutume ici.
252 
253 4. Entre dans la formation de syntagmes prépositionnels:
254 afovoany, au milieu.
255 Entre dans la formation de pronoms temporels:
256 ahariva, le soir, ce soir.
257 
258 5. Devant un nom de lieu:
259 Ka io a Zingahamba eo, et ce village appelé Zingahamba. [1.6]

Entry (6/9)260  a    
Part of speech  261  article [Full list]
Explanations in English  262 
263 iray, anankiray. [1.17]

Entry (7/9)264  à    
Part of speech  265  preposition [Full list]
Explanations in Malagasy  266 
267 amin', an', ao amin', avy amin'ny, ao, any, ao an-, hatrany.
268 Il a une manière à lui:
269 manana fomba azy samy irery izy.
270 De vous à moi: amintsika.
271 Un à un: tsirairay.
272 Vache à lait: omby terana. [1.9]

Entry (8/9)273  a    
Part of speech  274  morphological form of avoir

Entry (9/9)275  a    
Part of speech  276  preposition [Full list]

Updated on 2025/11/13