| Entry (1/3) | 1 volan-tsinana |
| Elementary words | 2 volana, 3 tsinana |
| Part of speech | 4 noun |
| Explanations in French |
5 les premiers jours de la lune
6 croissant [1.3] |
| Examples |
7 Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana
[2.996]
|
| Vocabulary | 8 Astronomy |
| Entry (2/3) | 9 volan-tsinana |
| Part of speech | 10 noun |
| Explanations in French |
11 demi-cercle
[1.3] |
| Examples |
12 Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana
[2.996]
|
| Vocabulary | 13 Mathematics: geometry |
| Entry (3/3) | 14 Volan-tsinana |
| Elementary words | 15 volana, 16 tsinana |
| Part of speech | 17 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 18 Literature: poems |
| Author |
19 Razafintsalama Josefa |
| Full text |
20 21 Raha nisoka, natao tsy hiverina; 22 nony maty, natao tsy hiposaka, 23 kanjo io ihany io mitsingerina, 24 fa ny zava-malefa-pitosaka ; 25 fisehoany dia mihelontrelona , 26 fa mitsidi-mitranga milentika 27 ary impito no maty ka velona 28 fa tsy tena dia lasa mirendrika 29 iry volan-tsinana andrefana 30 mahalala fotoam-piherenana! 31 Samy faly no sady finaritra, 32 ka indreny miainga mirohotra 33 eo an-kianja hikorana maharitra 34 ireo maro kilonga isam-bohitra; 35 fa ny zaza kamboty, manjonitra, 36 mahatsiahy ilay kibo nitoerana 37 sy ny ray nanao sikim-ponitra , 38 faingy hani-mandalo miserana 39 toraka io volan-tsinana andrefana, 40 tsy mandika fotoam-piherenana. 41 Ireo hazo amoron'ny tevana 42 velon-tsento mangina tarafiny, 43 fa ny sainy he! mihevangevana 44 ka maniry azy io hotahafiny... 45 Dia voavetso ny ela nilaozana, 46 ka ny endrika, bika, nananana, 47 no tanian-kimpody , hiaranana 48 toraka io volan-tsinana andrefana 49 tsy mandiso fotoam-piherenana! |
| Anagrams | Volan-tsinana, volan-tsinana |
| Updated on 2025/11/20 |
|