|
|
|
|

Entry (1/2)1  Ralaikamboty
Part of speech  2  proverbial name [Full list]
Proverbs  3  Proverbs containing that word

Entry (2/2)4  Ralaikamboty
Part of speech  5  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  6  Literature: poems
Author  7 Rajaobelison Samuël
Full text  8 
9  Kanety telo no mba fananana.
10  Voaisa lava sy maty an-tanana ;
11  rovi-jiafotsy no isalorana,
12  izay tsy voavitrana nofatorana !
13  Ralaikamboty manara-tsena,
14  miandry'zay olona mba onena !

15  Manao mbay lalana ombieny ombieny
16  no sady mangataka lavareny ;
17  sendra vomanga, mambosibosika,
18  sendra olon-doza, voatositosika:
19  Ralaikamboty tomany homana,
20  singany irery ao an-katakonana!

21  Harona kely tsizarizary,
22  feno ombi-kena sy tonom-pary,
23  arahin'ny lalitra moramora,
24  k'izay tsy mihoaka mitsipi-drora:
25  omby mahia tsy lelafi-namana,
26  tranon'ny ory tsy manavanana !

27  Endrika hatsatra sy mandràka ,
28  dindon'ny fiainany latsa-paka,
29  maso efa lalina sady haolo,
30  " taola-mitsangana " , hoy ny Ntaolo:
31  Ralaikamboty tsy mba mihety
32  na andro lanonana na andro fety!

33  Endrey izato lotony loza loatra,
34  nilaozan'ny tanana mpanamboatra:
35  ineny nialoha any an-danitra any,
36  idada tsy namana ety an-tany,
37  ny havana akaiky mandatsalatsa ,
38  Ralaikamboty tsy misy patsa!

39  Rava ny tsena, hariva ny andro,
40  lasa'reo olona mba hahandro;
41  Ralaikamboty no sisa hita
42  revo mitsimpona ery am-pita;
43  alika mierona mitofezaka
44  no ifandrombahana an'ezakezaka!

45  Latsaka ny alina mamanala,
46  Ralaikamboty misalasala:
47  Hody, tsy manana izay akany;
48  hijanona an-tsena, mba mafy ihany;
49  ambany sarety efa kotrakotra
50  no indro midaboka sy mitsotra!

51  Rehefa nanapitra ron-doha
52  ka nitanisa'reo tsy hifoha,
53  sasatra mantsy fa malamalana ,
54  sovohin-tory mahalankalana ;
55  mbola migoika sy miolanolana,
56  tazan'ny kintana sy ny volana!

Updated on 2025/11/17