|
|
|
|

Entry (1/2)1  manjombonjombona
Part of speech  2  active verb
Root  3  jombonjombona
Morphology 
4  Present :
5  Past :
6  Future :
All compound words 
Explanations in Malagasy  8  [1.1]
Explanations in French  9  [1.3#299] être obscure
Examples  10  [1.3#299] manjombonjombona ny hevitrao ka hazavao (Votre pensée est obscure, éclaircissez-la)
11  [1.255] manjombonjombona ny Tany, Toa malahelo, toa tomany;
12  [2.499#81] Tapaka teo ny resaka, ny andro manaraka, andro manjombonjombona, tsy nisy resaka firy.

Entry (2/2)13  Manjombonjombona
Part of speech  14  name (poem title) [Full list]
Elementary words  15  manjombonjombona
Vocabulary  16  Literature: poems
Author  17  Rafanoharana
Full text 
18  Manjombonjombona ny Tany... 19  Toa malahelo, toa tomany... 20  Ny ravinkazo efa maina 21  Voatsokan-drivotra maraina, 22  Indreo mihintsana dia lasa; 23  Ho aiza, hono, moa?… Asa!
24  Ny taho sisa, tsy mitafy 25  Midridridridry - voa mafy, 26  Miolanolana…. ! indrisy! 27  Mitady vonjy fa tsy misy! 28  Indreo ny sasany hampiasaina 29  Nazerazera, nokapaina. 30  Miboba ra, miala aina; 31  Malazo ireny; eny, maina!
32  Tanety maro, lohasaha, 33  Izao tsy manana mpizaha; 34  Marary ve?… mangavo-bolo 35  Toa tahom-bary bobongolo!
36  Tsy misy aina hita eny, 37  Ny lolo aza tsy mankeny; 38  Ny omby, ondry, tena noana; 39  Ho aiza anefa?… Mandry foana!
40  Anaty saha, an-jaridaina, 41  Ny voronkely very saina: 42  Tsy misy ravina ierena 43  Ka velon-tsento mahonena... 44  Ny lalana aza zary sina, 45  Ny tabatabany mangina; 46  Ny lanitra avy mitaraina... 47  Toa lasan-davitra ny aina.
48  Manjombonjombona ny Tany, 49  Toa malahelo, toa tomany; 50  Izay rehetra taza-maso 51  Dia nosomparan'ny ankaso. 52  " Nankaiza kosa ny masoandro, 53  Ilay mpanjakanao, ry andro? 54  Ny hanazava ve tsy tiany, 55  Sa semban-drahona ny diany" ?
56  Manjombonjombona ny Tany, 57  Toa malahelo, toa tomany... 58  Voahetsiketsiny ny Foko 59  Ka velon-tsento, mitoloko; 60  Ny ranomasoko dia tojo 61  Ny ranon'erika mijojo, 62  Fa ondry kely manim-bala 63  Mba te-hahita'reo malala. 64  Ho aiza anefa?… Hany hery 65  Manoso-menaka ny fery, 66  Dia fery velona tsy maty, 67  Manongotsongo ao anaty... 68  Manjombonjombona ny Tany, 69  Ny foko koa mba toy izany…
70  Ry fiononana antenaina, 71  Avia herezo koa ny saina! 72  Ry Ray mpandahatra ny eto, 73  Toneo ny foko tsy hisento!

Anagrams  74  Manjombonjombona, manjombonjombona

Updated on 2025/08/21