| Entry | 1 Fitenin-dRazako |
| Elementary words | 2 fiteny, 3 razana |
| Part of speech | 4 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 5 Literature: poems |
| Author |
6 Andriamanantena Georges |
| Full text |
7 8 Eny, mamiko ianao, ry tenin-drazako, ry teniko, 9 Tiako ianao, laniko loatra ary izao dia tsy afeniko 10 Fa ny foko manontolo sy ny saiko sy fanahiko 11 Mampitovy lanja anao sy Neny 'lay niteraka ahiko! 12 Moa tsy taminao indrindra no nianarako niteny 13 nanononako an'i Dada, nanononako an'i Neny? 14 Dia i Dada sy i Neny, sampan-drano nitsinjovako 15 ny loharano niandohako, dia ireo razana tsarovako. 16 Dada, Neny, mamy izany: aina nisehoan'ny felana, 17 tany nisehoan'ny voa, lalana nanelanelana, 18 vavolombelona hita-maso, maneho ny lasa izay takarina 19 ho tsinapa sy azo raisina ary tena nisy marina. 20 Tiako i Dada, mamy i Neny. Nefa inona, lazao 21 no ho nanononako azy raha tsy tao tokoa ianao? 22 Ry tenin-drazako lalaiko! ry teny mamy tsy ariako, 23 taminao no nahalalako'reto faka nitsiriako... 24 Ary raha zohina indray ny zana-tohatra niakarako 25 teny an-dalan'ny fiainana isoritan'ny tantarako, 26 dia lasitra namboarinao, notinefinao maharitra 27 hifanentana amin'ny molotro, no nahaizako namaritra 28 ny hasoan'ito taniko: ka na lanitra baliaka, 29 na tanety mena volo, na ny fanja soa sariaka, 30 na ny rano mikoriana, na ny vorona mikalo 31 eny anivon-takariva mampiherika mpandalo, 32 ka mampody aina indray ilay tanàna-haolo-ngazako... 33 taminao dia taminao, taminao, ry tenin-drazako! 34 Ary nony vaky vony'lay fitia tanaty foko 35 ka niraraka ho hanitra ny embona ela notrotroiko, 36 moa tsy teny taminao no nanokatra ny molotro, 37 hanambara ilay fitia nampombain'ny fo natolotro? 38 Teny tsotra nahalaza ny fitia sy ny alaheloko 39 izay narafitra ho tantaran'ny tsiambarateloko. 40 Eny, ho'aho, ry tenin-drazako, ry fiteny malagasiko, 41 tsy nindrana aho fa ambiny aza'ireto vita an-taratasiko. |
| Updated on 2025/11/17 |
|