|
|
|
|

Entry (1/2)1  Barsabasy
Part of speech  2  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  3 Joda Barsabasy. Isan' ny olona nanan-kaja teo amin'ny Fiangonana tao Jerosalema izy (Asa 15. 22), ary mpaminany koa
4 (and. 32). Izy sy Silasy no notendrena hiaraka tamin' i Paoly sy Barnabasy hitondra
5 ny taratasy avy tamin' ny konsilia tany Jerosalema ho any amin' ny Fiangonana tao
6 Antiokia, ete, hampahafantarana ny Jentilisa, izay efa tonga Kristiana, ny zavatra tokony hotandremany. Ary tsy dia nitondra ny
7 taratasy fotsiny ihany izy, fa «namporisika ny rahalahy tamin' ny teny maro koa,
8 ka nampahery azy » (and. 32). Rehefa nitoetra teo elaela ihany izy, dia «nampandehanin' ny rahalahy soa aman-tsara », ka dia
9 nody. Araka ny hevitry ny sasany, io Joda
10 Barsabasy io dia rahalahin' i Josefa Barsabasy voalaza eo amin' ny Asa 1. 23, nefa tsy
11 fantatra marina izany. [1.38]
Explanations in English  12 Judas Barsabas [2.996]
Explanations in French  13 Jude Barsabbas [2.996]
Vocabulary  14  Holy Scriptures
Biblical quotes  15 Chapters and verses mentioning Barsabasy

Entry (2/2)16  Barsabasy
Part of speech  17  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  18 Josefa Barsabasy. Natao hoe Josto koa
19 izy; ary anankiray tamin' ireo roa lahy nanaovan'ny Apostoly filokana hahafantarany
20 izay tokony ho dimbin' i Jodasy Iskariota
21 (Asa 1.23-25). Izany no ahafantarantsika
22 fa mpianatr' i Jesosy izy hatramin' ny nanaovan' i Jaona batisa Azy ka hatramin' ny
23 niakarany ho any an-danitra, (and. 21, 22).
24 Misy milaza fa isan'ny mpianatra fito-polo
25 lahy izy ; ary misy koa mihevitra fa izy sy
26 Jodasy Barsabasy dia mpirahalahy. [1.38]
Explanations in English  27 Joseph called Barsabas who was surnamed Justus [2.996]
Explanations in French  28 Joseph Barsabbas [2.996]
Vocabulary  29  Holy Scriptures
Biblical quotes  30 Chapters and verses mentioning Barsabasy

Updated on 2025/11/17